Mandroso ny fananganana ny fotodrafitrasa mamokatra herinaratra avy amin’ny rivotra, «éolien» any Antsiranana. Tompon’antoka amin’ny fametrahana azy ny orinasa Filatex Energies, izay fotodrafitrasa faharoa eto Madagasikara. Voalohany kosa ny any Taolagnaro, an’ny orinasa QMM, izay efa mihodina tanteraka. Miisa enina ny andrim-by lehibe napetraka any Antsiranana. Hamokatra herinaratra manana tanjaka […]
Toe-karena
Task Force : Miroso ny famerenana ny Air Madagascar
Fanamby napetraky ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), Andrianavalona Herizo ny hamerina indray ny kaompania Air Madagascar. Efa mitsangana ny vaomiera manokana Task Force, hisahana ny fanatanterahana izany. Anisan’ny fanirian’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, nanaiky ny hamerenana ny kaompania Air Madagascar nandritra […]
VAOVAO TAMBATRA
Hotanterahina ny talata 10 jona ny fanaovan-tsonia ny «Accord de partenariat économique». Fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Vondrona eoropeanina sy ireo Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara, Kaomoro, Maorisy ary Seychelles. Tanjona ny hanamafy orina ny fiaraha-miasan’ny roa tonta sy hampandrosoana ny toekaren’ireo Nosy aty amin’ny faritra. Mitentina […]
Ady amin’ny kolikoly : Mifanome tanana ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina
Vita sonia ny alakamisy teo, teny Ivato, ny fifanaraham-piaraha-miasa stratejika eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fiarahamonim-pirenena, niarahan’ny governemanta sy ny Transparency International. Tanjona ny hiadiana amin’ny kolikoly, hanamafisana ny fitantanana mangarahara eo amin’ny sehatra tsy miankina. “Miantoka ny fisarihana fampiasam-bola sy manatsara ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ny […]
Fifanakalozam-bola : Tonga eto amintsika ny PayPal
Hita aty Afrika ny tolotra PayPal USD, fomba hifanakalozam-bola (Crypto) eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mahatratra 70 ny tsena efa ahitana azy maneran-tany, amin’ny alalan’ny fampiasana ny sandam-bola dolara. Nambaran’ny tale jeneraly ny PayPal ho an’ny Moyen Orient sy Afrika, Otto William, fa « omenay lanja ny olon-tsotra sy ny orinasa aty […]




