Nitondra fanazavana ny orinasa Enelec, manoloana ny tsy fahatomombanan’ny famatsian-jiro any amin’ireo tobim-pamokarana tantaniny. Toe-javamisy nahatonga ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Mickaël, nanakihana ny orinasa, afakomaly. Niaiky ny Enelec fa nisy ny olana ara-teknika goavana sy tsy azo nanoharana, nosedraina. Nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ny orinasa raha […]
Toe-karena
Fanatsarana ny lohamenaka: Voafaritra ny paikady maharitra
Nivoaka ny paikady maharitra mahakasika ny fanatsarana ny lohamenaka. Voarakitra anatin’izany ny fanamafisana ny fikarohana teknolojia mba hampihenana ny fampiasana kitay hanodinana menaka. Torak’izany ny fanatsarana ny rafitry ny fanondranana sy ny fampifanarahana amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Mivoitra amin’ny paikady ihany koa ny fanamorana ny fahazoana tany sy ny fampiroboroboana ny […]
Fandaharanasa Accéléreo : 50 tapitrisa dolara hanohanana ny PME
Famatsiam-bola hatramin’ny 50 tapitrisa dolara no omen’ny fandaharanasa Accéléreo ny orinasa madinika sy salantsalany. Tanjona ny hahafahan’izy ireny mivelatra sy mamorona asa maharitra. Fanamby lehibe atrehin’ny Malagasy mpandraharaha ny fisitrahana famatsiam-bola, ny tsena ary ny fampifanarahana ny tetikasa amin’ny teknolojia. Antony nahatonga ny governemanta sy ny tetikasa Pôles intégrés de […]
Olan’ny Jirama : Hatomboka any Antsiranana ny fanadihadiana
Ho famahana ny olana sedrain’ny orinasa Jirama, nisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Niompanan’ izany ny mahakasika ny fanadihadiana ataon’ny depiote. Nitarika izany ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny sy ny filohan’ny Vaomiera mpanadihady mahakasika ny orinasa Jirama, Rakotoniaina Pety. Nanotrona azy ireo mpikambana ao […]
VAOVAO TAMBATRA
Tanterahina any Shanghai, Chine, ny World Artificial Intelligence Conference (WAIC) 2026. Hetsika iraisam-pirenena miresaka ny hoavin’ny Faharanitan-tsaina Artifisialy (IA). Maherin’ny 30 ny firenena mandray anjara ka anisan’izany i Madagasikara. Mitaky fiaraha-mientana maneran-tany ny IA, indrindra amin’ny vanim-potoan’ny IA generative sy ny fampidirana azy ao anatina indostria. Miditra amin’ny dingana ara-teknika […]





