Hanamafy ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin’ireo firenana mpikambana eo anivon’ny OEACP (firenena Afrikana, karaiba ary Pasifika). Eo koa ny fametrahana fampandrosoana maharitra sy iombonana. Ireo no tanjona ao anatin’ny fifanarahana Samoa. Natomboka omaly ny dinika fiaraha-miasa voalohany nataon’i Madagasikara sy ny Vondrona eoropeanina (UE) izay haharitra hatramin’ny taona 2044. Tanjona […]
Toe-karena
Angovo azo havaozina: Manam-pahaizana ny tanora malagasy
Nampivondrona ireo mpisehatra momba ny angovo azo havaozina sy ny tanora ny « Forum des énergies solaires ». Hetsika natao tetsy amin’ny QG Tanora Ankorondrano, ny 10 sy 11 avrily, lasa teo. Avy amin’ny solika avokoa ny 60% ny famokarana angovo eto amintsika raha manomboka mivoatra tsikelikely kosa ny fampiasana ny angovo […]
Nosy Be: Efa miasa ny foibe herinaratra 3MW avy amin’ny masoandro
Toerana manan-danja ara-pizahantany i Nosy Be. Ilaina ny famatsiana angovo maharitra sy madio, toy ny ataon’ny Vondrona Filatex any an-toerana. Tafapetraka any Kalampo Nosy Be, ny foibe mamokatra herinaratra manana tanjaka 3MW. Fotodrafitrasa, dingana voalohany, naorin’ny Vondrona Filatex, hamatsy ny tanànan’i Nosy Be. Mifanandrify tsara amin’ny vanim-potoana mahamaro ny vahiny […]
Soirée Gala: Hanehoana ny talentan’ny Malagasy mpamorona
Hisy ny « Soirée Gala » atao etsy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny alarobia 15 avrily 2026 ho avy izao, amin’ny 7 ora sy sasany hariva. Hetsika karakarain’ny fikambanana Wednesday Morning Group (WMG), tohanan’ny Yas Madagasikara. Nampitondraina ny lohahevitra hoe : “Les femmes se lèvent de l’ombre à la lumière” na […]
VAOVAO TAMBATRA
Mbola marin-toerana ny Ariary amin’izao fotoana. Omaly, nisanda 4 744,68 Ar ny Euro iray eo amin’ny tsena fifanakalozam-bola. Nisanda 4 134,13 Ar kosa ny dolara araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara. Marihina fa isan’ny vola hampiasaina amin’ny fividianana sy fanafarana entana avy any ivelany ny dolara. Ahina hiantraika amin’ny toekarena ny […]




