Nahazo ny tapakila hiatrehana ny dingana manaraka amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ClimateLaunchpad 2026, Razanamparany Vero, tamin’alalan’ny tetikasany ValorLink sy Raminosaona Zina, mpanorina ny tetikasa ICP. Miampy an’Andriambelozaka Liane, tompon’ny tetikasa Sebio. Nandresy tamin’ny famaranana ny fifaninanana natao tetsy Antaninarenina izy telo mianadahy. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny famaranana isam-paritra hatao any […]
Toe-karena
Toamasina II : Vita ny tetezamby eo Ivoloina
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy 16 jolay teo, ny tetezamby vao napetraka eo amin’ny reniranon’ Ivoloina, Sandahatra. Nanatanteraka ny asa ny orinasa Big Beton. Nitarika ny fotoana ny lehiben’ny faritra Atsinanana, Razafiarison Jean Jugus. Simba ny tetezana teo aloha, satria tsy nahatanty ny vesatry ny fiarabe nandalo teo, tamin’ny […]
Ladoany Antanimena : Entana miisa 118 hatao lavanty ampahibemaso
Feno entana tsy nalain’ny tompony, efa an-taonany maro, etsy amin’ny magazay fitahirizana entana an’ny Fadintseranana malagasy, etsy Antanimena. Tsy maintsy hirosoana ny fanaovana lavanty ampahibemaso, ary hitohy any amin’ny magazay hafa izany. Hatao ny alatsinainy 10 aogositra 2026 ho avy izao, amin’ny 8 ora maraina, etsy amin’ny magazain’ny Ladoany Antanimena, […]
Filankevitry ny minisitra : Miverina ny hamehana momba ny angovo
Miverina mihatra manerana ny Nosy ny hamehana mahakasika ny angovo manoloana ny toe-draharaha maneran-tany. Fanapahan-kevitra nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny zoma teo noho ny fiverenan’ny ady ao “Moyen-Orient”, izay miantraika amin’ny tsenan’ny solika maneran-tany. Fotoana ihany koa ahafahan’ny fanjakana mandray fepetra hiantohana ny famatsiana, hitohizan’ny tolotra. Hampihena koa […]
Brice Lejambe : Mitondra ny heviny momba ny rafi-pitantanana eto amintsika
Natao tetsy amin’ny efintranon’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria eto Antananarivo (CCIA) ny « Café littéraire E-Toerana », andiny voalohany. Fihaonana natokana nandinihina ny olana sy ny fanamby momba ny fitantanan eto Madagasikara. Nasaina manokana tamin’ity andiany ity i Brice Lejambe, nanoratra ilay boky ” La Capture de l’État, essai sur la […]





