Toe-karena

COI: manatsara ny tontolon’ ny asa aorian’ny Covid

Mampanao fiofanana isa­ky ny firenena momba ny fa­na­tsarana ny asa Ny COI (Com­mission de l’Océan In­dien). Ao anatin’izany ny fi­za­hana akaiky ny sehatra tsirairay ha­hazoana toromarika eo amin’ ny fiaraha-miasa. Ma­­nohana izany ny Agence française de développement (AFD), ny Organisation internationale du travail (OIT) sy ny Cap Business Océan In­dien. […]

Entana azon’ny mpandeha hoentina: mitaky fahazoan-dalana hatrany ny fadintseranana

Ampahany amin’ny asan’ny fadintseranana ny mampahafantatra ny tompon’entana amin’izay tokony hatao. Ny entana mahazo mivoaka sy tsy mahazo, mahazo miditra na tsia. Izany no atao mba hisorohana ny kolikoly ao anatin’ny fadintseranana, mankalaza ny faha-200 taona. Misy fepetra maro ampahafantarin’ny fadintseranana ho an’ny mpandeha tsirairay mi­voaka any ivelany ny amin’ny […]

Dibo-drano: Be loatra ny vinany any Maroantsetra

Anisan’ny toerana dibo-dra­­no foana ao Maroantsetra re­­hefa misy ny androratsy ma­ndalo ao Analanjirofo. Ara­ka ny fandinihan’ny tompon’ an­dra­ikitra any an-toerana, ny fi­sian’ny vinany na “embouchure” betsaka manodidina ny to­e­ra­­na ny antony mahatonga iza­ny. Tafiditra ao i Maro­an­tse­­tra, Ra­­tambe ary Mananara Ava­ra­tra. Tampina vokatry ny fa­sika avy any an-dranomasina ireo vi­­nany […]

Lalana: misokatra ny RN 6

Efa vita ny faran’ny herinandro teo, ny fivilian-dalana, nametrahana tetezana vonjimaika any amin’ny lalam-pirenena RN 6, eo amin’ny PK 217+100 any Ambalavola Am­ba­lafa­minty, eo anelanelan’i Port Bergé sy Antsohihy. Mi­ve­rina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana, satria efa azo ampiasaina ny fivilian-dalana, na­metrahana tetezana vonjimaika hafa. Mitohy ny asa fanamboarana. Efa manomboka […]

Fotodrafitrasa: ahin’ny mponina tsy ho vita ny RN 11 A

Nilaza ny filoham-pirenena, ny asabotsy 28 janoary teo tany Ilaka Atsinanana, Vatomandry fa hifantohana ny sosialim-bahoaka, ka miato ny fanamboarana fotodrafitrasa amin’ity taona 2023 ity. Niteraka ahiahy ho an’ny mponina any an-toerana izany, toa an’i Zafy Georges, mpandraharaha sady mpamboly sy mpiompy. «Ahoana izany ny lalam-pirenena RN 11 (Va­to­mandry- Mahanoro), […]