Taterin’ny ben’ny Tanàna, fa miha-ratsy ny zava-misy any amin’ny kaominina Ankilimalinike, distrika Toliara II. Sahirana ara-pivelomana ny mponina vokatry ny tsy fisian’ny asa. Vahaolana ny hanokafana ny Base Toliara. Tandindomin-doza ! Nohitsian’ny ben’ny Tanàna Ankilimalinike, Mahatoro Longin, fa manjaka ny asan-jiolahy any amin’io kaominina io, satria tsy manana asa ny […]
Toe-karena
Varotra any ivelany: efa nisy politika momba ny fanondranana akondro
Efa nanondrana akondro tany Eoropa i Madagasikara tamin’ny 1961, tsy latsaky ny 20 000 t, nitohy nihabetsaka tamin’ny taona 1966, tafakatra 35 716 t. Nisy fotoana nampihena izany noho ny andro ratsy saingy tamin’ny Repoblika voalohany ihany, niezaka nanarina ny fambolena akondro ny fanjakana, nametraka politika manokana nidirana amin’ny tsena eoropeanina. Nisy […]
Tranoben’ny tantsaha: miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro
Miezaka amin’izao fotoana ny Tranoben’ny tantsaha, ivondronan’ny fikambanan’ny tantsaha samihafa miady amin’ ny fiovaovan’ny toetr’andro. Izany dia misy fiantraikany amin’ny tantsaha mpamokatra sy ny mpanjifa. Hanatanterahan’ny Tranoben’ny tantsaha, hisy tetikasa iray ho fanalefahana ny fiantraikan’ ny fiovan’ny toetr’andro. Araka ny nambaran’ny Federasiona vehivavy tantsaha malagasy, hita taratra mivantana sy ankolaka […]
Sehatrasa misy tolotra: tsy ampy manam-pahaizana manerana ny Nosy
Tsy mitsahatra mitombo ny tahan’ny tsy an’asa eto Madagasikara. Tsy maharaka ny fitombon’ny mponina afaka miasa ny tolotr’asa. Mahazo vahana hatrany noho izany ny tsy manara-dalàna (informel) amina sehatra maro. Hatramin’ny 80 % amin’ ny olona afaka miasa no tsy an’asa eto an-toerana. Maivana ny tolotr’asa eto an-toerana, tsy misy […]
Vita ny gropy fahefatra: mamokatra 120 MW Andekaleka
Nanomboka tamin’ny desambra 2022 ny fampidirana ao anatin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ny herinaratra vokarin’ny gropy vaovao fahefatra (G4) miainga avy any Andekaleka. Nahomby ny andrana natao nandritra izay iray volana izay, ka efa afaka miasa araka ny tokony ho izy ity G4 ity. 32 MW ny tanjaky ny herinaratra vokariny, […]