Toe-karena

Fadintseranana malagasy : nahazo ISO 9001-2015 ny « centre de valeur »

Sorodalana apetraky ny fadintseranana malagasy ny fahazoam-bokatra ara-kalitao sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Tratra ny tanjona, nahazo ny ISO 9001-2015 avy amin’ny orinasa Certi-Trust ny « centre de valeur »n’ny fadintseranana malagasy. «Voalohany amin’ny sampandraharaham-panjakana mahazo ny Certification ISO 9001-2015 ny Centre de valeur’ny Fadintseranana Malagasy”, hoy ny tale jeneralin’ny […]

Fanabeazana olom-pirenena: Nisokatra ny fahitalavitra sy radio “web”

Mankalaza ny faha-10 taona nijoroany ny sekoly ambony momba ny fampandrosoana sy ny fiarahamonina (ES.DES). Tsangambaton’izany ny nisokafan’ny fahitalavitra sy ny radio an-tambajotra, natolotra tetsy Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo.Tombony ny hahafahan’ny rehetra manaraka izany amin’ny alalan’ny fifandraisana niomerika sy ao anatin’ny tambajotra. Miompana amin’ny fanabeazana sy ho fitaizana ny […]

Lavabaton’i Sarodrano: miroborobo ny fizahantany

Tsy maintsy miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ny toerana samihafa rehetra. Manana ny fomba hiatrehany izany ny mponina any Sarodrano, kaominina St-Augustin, distrika Toliara II, faritra Atsimo Andre­fana. Mivelona amin’ny sehatry ny jono an-dranomasina sy ny fiompiana lomotra (algue) ary ny fizahantany ny mponina. Nilaza Rtoa Francine, vadina mpanjono, sady mpivarotra […]

Fandraisana ny « volantany »: manaiky ny famindrana ny fasana ireo tompon-tany

Nahafaly ny mponina any amin’ny faritra Atsimo Andre­fana ny filazan’ny fanjakana, farany teo, fa ho maro ny tetikasa mahakasika ny harena an-kibon’ny tany eto Madaga­sikara. Manantena ny hiverenan’ny tetikasa Base Toliara ny any an-toerana. Anisan’ny miandry izany koa ny Vao­miera misahana ny famindran-toerana ara-dalàna na « Re­settlement working group » RWG ao […]

Fananan-tany: Tokony hanana sata mifehy azy ny kijana

Nohavaozina ny taona 2005 ny lalàna mahakasika ny fananan-tany. Zava-baovao amin’izany ny fametrahana ny karatany, omen’ny kaominina, manampy ny titra. Nanamarika anefa ny ao amin’ny Sehatra iombonan’ny fananan-tany (Sif), fa na eo aza ny lalàna, tokony hojerena mihitsy ny lafiny zava-misy sy ny rafitry ny fiarahamonina. Anisan’izany ny tokony hanomezana […]