Mitaky rafitra manokana mba hisahana ny varotra sy ny fanjifana ireo sendika sy vovonana eo anivon’ny departemanta. Maniry ny hitovy lanja amin‘ny mpiasam-panjakana rehetra ireo teknisianina eo anivon’ny ministera raha mieritreritra hanova ny fitantanan-draharaham-panjakana ny mpitondra. Noho izany, nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny Analakely izy ireo ny zoma […]
Toe-karena
Ora-mikija: tapaka tanteraka ny lalampirenena fahefatra ( RN4)
Araka ny tatitra natao nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 18 janoary teo, nihazakazaka ny fahasimban’ny lalam-pirenena eto amintsika. Anisan’ny nahatonga izany ny tsy fanajan’ny mpitatitra ny fetran’ny lanjan’entana tokony hoentiny. Manampy trotraka koa ny vokatry ny ora-mikija amin’ny vanim-potoana toy izao. Maro ny lalana tapaka. Nokaohin’ny rano ny lalam-pirenena […]
Nahazo aina kely : nihena ho 4.602 Ar ny sandan’ny 1 euro
Midina tsikelikely indray ny sandan’ny Ariary miohatra amin’ny euro, nanomboka ny herinandro lasa teo. Nisanda 4.602 Ar ny 1 euro ny zoma 20 janoary teo, raha 4.618 Ar ny 19 janoary. Nanomboka nitotongana ny vola malagasy ny herinandro farany ny 20 desambra 2022, nahatratra 4.671 Ar. Niha-nihena ny lanjany ny […]
Faritra Sava : karazana gidro 95 % atahorana ho lany tamingana
Nomarihan’ny Pr Ratsimbazafy Jonah, filohan’ny Gerp (1) fa mila tsara fiarovana ireo karazana gidro any anaty ala manerana ny Nosy. Tsy azo atao ny mihaza, misambotra na mamandrika azy ireny. Vao haingana ny mpiaro ny faritra arovana any Sava no nahavoasambotra olona roa tany Maintialana akaikin’i Vohémar. 46 ireo karazan-gidro […]
RN-6 : manomboka ny fanarenana
Hanomboka ny fanarenana ny lalam-pirenena fahaenina RN 6, manomboka eo Ambondromamy hatreo Ambanja, mirefy 459 km. Mamatsy vola ny asa ny Banky Iraisam-pirenena, ao anatin’ny Tetikasa fampandrosoana maharitra ny lalana (PDDR) sy ny Asa vonjitaitra sy maika (CERC). Nijery ny fanombohan’ny asa ny minisitry ny Asa vaventy, Hatrefindrazana Jerry, ny […]