Nanomboka, omaly, 1 hatramin’ny asabotsy 3 desambra 2022 izao ny Tsenabe ara-toekarena eto Toamasina, atao etsy amin’ny Araben’ny Fahaleovantena. Lohahevitra noraisina ny hoe : « tohanantsika ny fandraharahana ao anatin’ny fifanomezan-tanana, hahazoana vokatra hampandrosoana ny faritra ». Miisa 250 ny tranoheva ho an’ny mpandray anjara, ahitana ny orinasa vaventy sy salantsalany, madinika. Eo […]
Toe-karena
CSI-Pnud: hiadiana ny kolikoly
Nampahafantarina omaly ny SIIGAC*, fitaovana iray eo anivon’ny CSI* hoentina hiadiana amin’ny kolikoly, izay misokatra ho an’ny rehetra. Tamin’ny tomban’ezaka nataony ny CSI nampian’ny Pnud ao anatin’ny tetikasa Madagasikara tsara tantana nametraka tambajotra ifanakalozam-baovao, dia ny SIIGAC. Tanjona ny hisian’ny mangarahara sy tamberin’andraikitra hananana fomba fijery mahitsy hiadiana amin’ny kolikoly […]
Jirama: ho fantatra amin’ny alatsinainy ny tale jeneraly vaovao
Nanome fanazavana momba ny toe-draharaha ao amin’ny Jirama, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Ramaroson Andry, omaly. Nambarany: “Antso tolotrasa ao anatiny no natao. Ho fantatra amin’ny alatsinainy ho avy izao izay ho tale jeneraly vaovao”. Nomarihin’ny minisitra Ramaroson Andry, tsy misy volam-panjakana niasa ny nananganan’ny orinasa Tozzi Green, […]
Hiatrehana ny ririnina: hanampy an’i Okraina ny « Otan »
Vonona hampitombo ny fanampiany an’i Okraina ny fikambanana lafiny fandriampahalemana ara-tafika, vondron’ny fifanarahana tany avaratry ny Atlantika (Otan). Hanangana indray ny fotodrafitrasa momba ny angovo, izay ravan’ny fanafihana rosiana. Io no tapaka nandritra ny fivoriana nataon’izy ireo tany Bucarest, ny talata teo. Hiatrehana ny ririnina no nanaovana io tetikasa io. […]
Fofifa-Cirad-Oniversite Antananarivo: nanao fikarohana amin’ny hazo hanaovana arina (saribao)
Manao atrikasa eto Antananarivo, omaly sy anio, ireo telo mpiara-miombo’antoka : Fofifa-Cirad-Oniversite Antananarivo, manao tomban’ezaka amin’izay vita sy valim-pikarohana vaovao haroso ato anatin’ny dimy taona manaraka (2023-2027). Efa 20 taona mahery no miara-miasa ny telo tonta (DPFB)*, ka tonga eo amin’ny dingana famaranana izao, hanaovana tomban’ezaka isaky dimy taona sy […]