Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Maherin’ny 3 000 ny tokantrano hisitrika angovo « biométhane » any Antsirabe. Angovo biolojika vokarin’ny orinasa Madagaz, mahatratra 3 200 Mw isan’ora, ampiasana akora 6 000 taonina isan-taona. Herinaratra avy amin’ny akora voajanahary, toy ny fako, havadika entona fandrehitra, ampiasaina amin’ny fandrahoan-tsakafo. Mitantana ny orinasa i Minoarisoa Faratiana, manampahaizana manokana amin’ny Biogaz. Nofanina hahafehy ny […]

Fiaraha-miasa Sinoa – Madagasikara : famokarana holatra aondrana any ivelany

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Hajarison François Sergio, omaly, ny delegasiona avy amin’ny « Conference consultative politique du peuple chinois » (CCPPC). Notarihin’ny masoivohon’i Sina eto Mada­gasikara, Ji Ping izany, nen­tina nanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Nambaran’ny masoivoho sinoa, fa « mitady […]

Arabe migodana : hivoaka amin’ny marsa 2025 ny soritry ny lalana faharoa

Mandeha ny asa fanamboarana ny ampahany voalohany ny arabe migodana Antananarivo-Toamasina. Vita ihany koa ny 30% ny arabe « voie rapide », any Toamasina. Mirefy 80 km ny ampahany voalohany amin’ ny arabe migodana miainga eto Antananarivo hatrany Anjozorobe. Noma­ri­hin’ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, tany Toamasina, omaly, fa […]

VAOVAO TAMBATRA

Hahatratra 5% ny fitomboan-karena amin’ny taona 2025, araka ny vinavina ao anatin’ny tetibolam-panjakana (LFI 2025). Anisan’ny hianteherana hanatrarana izany ny fampiakarana ny voka-bary, ho 8 hatramin’ny 12 taonina isaky ny hekitara, raha 2,5 t/ha ny salanisa, ankehitriny. Hampiasaina ny masomboly vary safiotra, izay miaka-bokatra ao anatin’ny 120 andro monja. Vita […]