Toe-karena

Jovena : Nivoaka ny lubrifiants Premium LUB vaovao

Dingana vaovao no vitan’ny Jovena amin’ny alalan’ny Convention Lubrifiants. Nandritra izany no nampahafantaran’ny orinasa ny Premium LUB vaovao nohatsaraina. Menaka, natao manokana hifanaraka amin’ny fepetra takin’ireo matihanina eto Madagasikara. Miisa hatrany amin’ny 160 ireo manam-pahaizana nandinika momba ny kalitaon’ny vokatra. Nampiavaka ny hetsika ihany koa ny fandraisan’anjaran’i Alain Jany, manam-pahaizana […]

FIDA : 450 tapitrisa dolara nanohanany ny tantsaha

Maherin’ny 500 000 ireo tokantrano nisitraka tohana avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana ny Fambolena (Fida) tao anatin’ny efa-taona Fahombiazana. Mitentina hatrany amin’ny 450 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola nentin’ny Fida nanohanana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra eto Madagasikara. Nentina nanatanterahana ireo tetikasa telo (2022-2026) mifanaraka amin’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Miditra amin’ny dingana faharoa hananganana ny fanofanana arakasa eny amin’ny Toby Akama­soa ny fanjakana. Tanterahina amin’ny alalan’ny tetikasa CCPREAS izany, ka asa roa no hatao. Voalohany, ny fanajariana ny manodidina sy ny fanadiovana ny tontolo. Faha­roa, ny fanamboarana ny fefy sy ny vavahady. Nanom­boka ny taona 2022 ny tetikasa ka […]

« Foaran’ny fromazy »: Fampiroboroboana ny vokatra vita malagasy

Manodidina ny 7 litatra isan’olona isan-taona ihany ny fanjifana ronono eto Madaga­si­kara. Mila ezaka be ny fampitomboana ny famokarana sy ny fanjifana. Anisan’ny antony hanatanterahina ny 22 hatramin’ny 25 jolay ho avy izao, etsy amin’ny zaridainan’Anta­ni­narenina, ny Foaran’ny fromazy aty afovoantany, FFHT (Foires aux fromages des Hautes Terres), andiany faha-3, […]

Fampivoarana ny niomerika: Miara-miasa ny Fom sy ny Clood

Vita sonia ny alakamisy teo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Fikambanan’ny orinasa malagasy (Fom) sy ny Clood Madagascar, mpikambana ao amin’ny Fom. Fiaraha-miasa hanohanana ny fanovana niomerika ho an’ireo mpikambana. “Miantsehatra amin’ny développement numérique ny Clood. Tanjona ny hanampy sy hanome tantsoroka ireo mpandraharaha sy hitondra vahaolana ara-niomerika mifanaraka amin’ny filany […]