Mpandraharaha amin’ny fifandraisan-davitra voalohany eto Madagasikara, mampiasa ny teknolojia Direct-to-Cell, ny Airtel Madagasikara. Miara-miasa amin’ny orinasa SpaceX. Zava-baovao ifandraisana amin’ny finday Smartphone 4G, amin’ny alalan’ny zana-bolana, raha sendra toerana mitoka-monina tsy misy tambajotra an-tanety, izy io. Ifandraisana amin’ny alalan’ny vidéo amin’ny Whatsapp. Nahomby ny andrana natao tany amin’ny kaominina Sadabe, […]
Toe-karena
Fotodrafitrasa an-tsekoly: Manova ny fiainan’ny mpianatra
Miisa 27 ireo sekoly manaraka ny fandaharanasa fitaratra, « Mianatra », tarihin’ny Vara Mada, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Global Communities. Tetikasa izay haharitra 14 volana. Famatsiam-bola mitentina hatrany amin’ny 1,3 tapitrisa dolara. Tanjona ny hanova sy hanatsara ny tontolon’ny fanabeazana amin’ny alalan’ny fanomezana tohana ara-tsakafo sy fotodrafitrasa mamaly ny filan’ny […]
Fividianan-tsolika : Tokony hajaina araka ny tokony ho izy ny toromarika rehetra
Tsy misy fetra ny habetsahan’ny solika azo vidina raha arotsaka mivantana ao anaty « réservoir » an’ny fiara. Marihina fa nametra ho 100 litatra isan’andro, isaky ny mpividy ny ny lasantsy sy gazoala azo vidina ao anaty fitoeran-tsolika azo entina, ny Office malgache des hydrocarbures (OMH). Fepetra mihatra avy hatrany, […]
VAOVAO TAMBATRA
Nitombo avo roa heny ny Cacao naondran’i Madagasikara tao anatin’ny 9 taona. Tafakatra 14 000 taonina (t) izany amin’izao raha toa ka 7 000 t ny taona 2016. Mihoatra ny 100 tapitrisa dolara isan-taon ihany koa ny vola niditra tamin’ny kitapombolam-panjakana. Niakatra 40 000 Ar ny kg ny vokatra teny […]
Madagascar Airlines : Nanokatra masoivoho ao Mahajanga
Manakaiky ny mpanjifa. Nanokatra ny masoivoho ara-barotra ao amin’ny faritra Boeny ny kaompania Madagascar Airlines. Dingana tafiditra amin’ny fanarenana ny orinasa sy fironana tsikelikely amin’ny fiovana ho Air Madagascar. Tanjona ny hanakaiky kokoa ny mpanjifa sy hanatsara ny kalitaon’ny tolotra, indrindra amin’izao vanim-potoana mahabetsaka ny mpandeha izao. Manakaiky kokoa ny […]





