Atao ny 26 sy 28 mey, eto Antananarivo, ny atrikasa hanamafisana ny ady amin’ny tohitry ny mikraoba amin’ny fanafody (Ram). Mikarakara azy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd), miaraka amin’ny minisitera samihafa voakasika (ny Fiompiana, Fambolena, Fampianarana ambony, Fahasalamana,…), ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (FAO, OMS, […]
Toe-karena
RN1Bis: Hamboarina ny lalana mankany Maintirano
Ela ny ela! Anisan’ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, tany Fandriana, fa hatao ihany koa ny lalam-pirenena RN1 Bis, eo Tsiroanomandidy hatrany Maintirano. Hanamboatra azy ny Vondron-tafika Jenia miaramila. Efa tonga any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny fitaovana vaventy fanamboaran-dalana avy amin’ny orinasa sinoa Tsingshan. Mirefy 377 […]
Fivelomana : Lany amin’ny sakafo ny 60% ny tetibolan’ny tokantrano
Lany amin’ny sakafo sy ny kojakoja samihafa fampiasa andavanandro ny antsasa-manilan’ny tetibolan’ny tokantrano malagasy. Midangana ny vidin’entana, kely ny vola miditra. Mitombo hatrany ny fahasahiranan’ny tokantrano malagasy manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana. Araka ny antontanisa nivoaka tamin’ny fanadihadiana nataon’ny Instat sy ny Banky iraisam-pirenena, maherin’ny 60% ny teti-bolan’ny isan-tokantrano ankehitriny no […]
Minisiteran’ny Jono: mihitsoka ny fandehan’ ny raharaham-panjakana
Mbola mitohy ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny minisitry ny Jono, ny Pr Maharavo Jean sy ny sekeretra jeneraly vaovao, Ravelomanantsoa Be-Rija. Mihisatra ny asam-panjakana noho ny hambompo manokana. Tsy mbola mankasitraka ny fanendrena ny sekretera jeneraly ny minisitra, tsy manaiky ny fiaraha-miasa hatramin’izao. Manomboka ny fanangonan-tsonia hataony, hanesorana ny olona […]
Vovonana Rali: nivondrona ny tantsaha any Diana sy Sava
Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy, ny alakamisy sy sabotsy lasa teo, ny sampan’ny Vovonana Rali, ivondronan’ny tantsaha ao amin’ny Faritra Diana sy Sava. Nitarika izany tany an-toerana ny filoha mpanorina, Ralaimahary Linot sy ny vadiny Rakotoniaina Ando. Nanotrona azy ireo ny ekipa mpanorina isam-paritra, izay ahitana ny mpiantsehatra rehetra amin’ny seha-pihariana […]




