Tao anatin’ny roa andro, ny 26 sy 27 mey, milanja 9 taonina (t) ny lavanila maitso lafon’ireo mpamokatra tao amin’ny kaominina Antsakoamanondro, distrikan’ Ambanja. Nanomboka omaly, nanatona ny mpamokatra any amin’ny kaominina Ambolikapily sy Ambalahonko ny orinasa Biolandes, manohy ny fividianam-bokatra. Notsindrin’ny lehiben’ny Faritra Diana, ny jeneraly Marovavy Louis Francio, […]
Toe-karena
Rano madio fisotro : 40% amin’ny mponina no misitraka izany
Fanamby goavana ho an’i Madagasikara ny fisitrahana rano madio fisotro. Mbola ny 40% ny mponina no mahazo izany, raha ny tatitra nataon’ny minisitry ny Rano, ny fahadiovana ary ny fidiovana, ny Dr Razafindrianiaina Minosoa Anjaratiana Elia, omaly. Antony nahatonga ny minisitera nanatanteraka fivoriambe niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka eo amin’ny sehatra EAH/Wash. […]
IOAI Summit : Hatsangana ny vovonana niomerika IA
Tsy afa-miala amin’ny Faharanitan-tsaina artifisialy (IA) intsony ny fampandrosoana sy ny sehatra rehetra, ankehitriny. Anisan’izany ny fambolena, ny fitsaboana, ny fahasalamana, sns. Notanterahina omaly, teto Antananarivo, ny fihaonambe «IOAI Summit 2026», andiany voalohany, mahakasika ny Faharanitan-tsaina artifisialy (IA) aty amin’ny ranomasimbe Indianina (OI). Nambaran-dRamatoa Cédène Da Silva, CEO ny EDS […]
Faritra Normandia Frantsa: Nanangana ivontoerana ho an’ny tanora
Notokanana ny alin’ny talata 20 mey teo, ny ivontoerana fanovozam-pahalalana etsy Ampasimazava izay najoron’ny faritra Normandia any Frantsa, ho mariky ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny Faritra Atsinanana. Raha hiverenana, efa an-taonany maro ny fiarahan’ny faritra roa tonta : “Coopération décentralisée Normandie”. Nampitondraina ny anarana hoe “Atélier 501 centre de ressources” ity ivontoerana ity […]
VAOVAO TAMBATRA
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fivarotana lavanila maitso ho an’ny faritra Diana. Tanjona ny samy hahazoan’ny rehetra tombony. Nanentana ny hanajana ny kalitaon’ny vokatra ihany koa ny “Alliance régionale pour la vanille” mba hiantohana ny fanondranana sy hampidi-bola ho an’ny mpisehatra. Hamaritra ny vidin’ny lavanila kosa ny lalàn’ny tolotra sy […]




