Voakasiky ny tetikasa ny GCF-CI ny Tandavanala Ankeniheny Zahamena (CAZ). Tanjona ny hamerenana ny tontolo ho maitso sy ny fanatsarana ny velontenan’ny mponina. Manohana ny Tetikasa Tontolo voajanahary lovainjafy ny Tahirimbola maitso maneran-tany (GCF). Miara-mitantana azy ny Conservation international (CI) sy ny Birao BNCCREDD+* avy amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy […]
Toe-karena
Toekarena manga : hikatona ny 1 desambra ny jono makamba
Mikatona manomboka ny voalohan’ny volana desambra 2024 misasakalina ka hatramin’ny 28 febroary 2025 misasakalina ny jono makamba na tsitsika manerana ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Noho izany, antsoina hanambara ireo tahiry ananany manomboka ny 30 novambra ka hatramin’ny 9 desambra, eny amin’ny biraom-paritry ny jono sy ny toekarena manga akaiky azy, ireo […]
VAOVAO TAMBATRA
Hiroso amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fimpima). Tanteraka izany noho ny fiaraha-miasan’ny fikambanana sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), natao sonia ny 22 novambra teo. Anisan’ny voarakitry ny fiaraha-miasa ny fampiofanana ny mpikambana ao amin’ny Fimpima. Ifantohana manokana ny lafiny fambolen-kazo ala […]
Fiovan’ny toetr’andro : Miova ny fomba fambolem-bary
Tsy maintsy atrehina ny fiovan’ny toetr’andro. Mahatsapa izany ny tantsaha any amin’ny fokontany Avaradrano, kaominina Manakambahiny, distrika Ambatondrazaka. Misongadina ny zava-bitan’ny fikambanana Avotra, mampihatra ny fambolem-bary afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro. Tanteraka izany noho ny tohana nomen’ny Conservation international (CI), nampiofana ny fomba fambolem-bary manara-penitra. Anisan’ny nisitraka izany Raholdina Maxime, […]
Lasa orinasa afrikanina : Niova anarana ho Yas ny Telma
Maro ny vitan’ny orinasa Telma nandritra ny 20 taona nisiany. Niova anarana ho Yas, sady lasa orinasa hita any amin’ny firenena afrikanina efatra hafa. Nitondra fivoarana maro sy haingana teo amin’ ny tontolon’ny fifandraisan-davitra teto Madagasikara ny orinasa Telma, ao anatin’ny vondrona Axian, hatramin’ ny naha orinasa tsy miankina azy […]