Manakaiky hatrany ny mpanjifa! Nisokatra omaly 21 mey ny tranombarotra Cosmos faha-21, eny Andraharo. Tanàna miroborobo ara-barotra sy ara-toekarena eto an-dRenivohitra. Nitsinjo ireo olona miasa eny amin’ny manodidina, ny mpandraharaha, ny mponina, ny tranombarotra, no nahatonga azy ireo nanangana ity tranombarotra vaovao ity. Tanjony rahateo ny hanatonana akaiky kokoa ny […]
Toe-karena
Teknolojia : Hafainganina ny fanovana niomerika
Vinam-pirenena amin’ny taona 2030 ny hanangana tontolo niomerika mirindra, mahaleo tena, vaovao ho an’ny olom-pirenena tsirairay sy ho an’ny fanovana maharitra eto Madagasikara Sehatra stratejika miantoka ny fampandrosoana ny firenena ny niomerika. Miantoka ihany koa ny fampandehanan-draharaham-pirenena. Antony nahatonga ny diniky ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Vita ny 82% ny lalana RN5, Soanierana Ivongo mankany Vahibe. Mitotaly 75 km ity ampahan-dalana ity, ka efa vita fandravonana ny 65 km. Miisa 7 ny tetezana eo am-pamaranana. Eo am-pametrahana ny andry tongony (poutre) ny tetezana faha-8 any Vahibe. Miisa 119 amin’ny 127 hatao ny tetezan-kely « dalots ». Vinavinaina ho […]
Fampandrosoana : Vonona hanangana orinasa eto amintsika i Chine
Misokatra amin’ny fiaraha-miasa any ivelany i Madagasikara, hiantohana ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny indostria. Vonona hanangana orinasa sy ozinina maro eto amintsika i Chine. Mila antoka kosa ny fiarovana ny tontolon’ny fampiasam-bola sy ny fandraharahana. Nivoitra izany rehetra izany nandritra ny dinika niarahan’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny […]
Fanjifana : Miantoka ny fifampitokisana ny lanja marina
Manamafy ny fifaninanana eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fanajana ny refy sy lanja amin’ny famokarana sy ny indostria. Nivoitra izany nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany momba ny refy sy ny lanja, omaly. “Tanjon’ny fankalazana ny hiarovana ny mpanjifa, indrindra amin’ny lafiny lanja sy refy mba hisorohana […]




