Toe-karena

Depiote Befeno Hiacynthe: « Tsy mandoa hetra ny 95% ny orinasa »

Naneho hevitra ny solombavambahoaka voafidy tany Antsohihy, i Befeno Hiacynthe Todimanana, manoloana ny tontolon’ny hetra eto Mada­gasikara. Nohitsiny fa : « maro ireo mpandraharaha sy orinasa ara-dalàna eo amin’ny sehatra tsy miankina no mitaraina. Mizaka irery ny vesatra ara-ketra izy ireo sady mitombo isan-taona izany. Tsy mandoa hetra ary tsy voasoratra ara-dalàna […]

Alaotra Mangoro: hampiakarina ho 4 t/ha ny voka-bary

Aman’alina ny tantsaha nisitraka tohana avy amin’ny fanjakana tany amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Riz Plus », hampiakarana ny voka-bary ny hetsika. Nankalazaina tany amin’ny kaominina Ambo­hibary, distrika Mora­manga, ny 22 mey, ny santa-bary, ara-pomba betsimisaraka sy bezanozano. Nitarika ny fotoana, amin’ny fanohanana ny tantsaha, ny minisitra Ra­mindo […]

Banky iraisam-pirenena : Hanohana ny sehatra tsy miankina

Hanome lanja ny fahaleovantena ara-toekarena ho an’ny vehivavy ny tetikasa Eager. Manohana izany ny Banky iraisam-pirenena, iaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Indostria. Vonona hanolo-tanana ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP) ny Banky iraisam-pirenena, ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Nivoitra izany nandritra ny dinika nataon’ny minisitra Raharimanjato Ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Vita avokoa ny 98% ny tohodrano ao Farafaty Toamasina. Efa mamokatra rano 22 000 m3 ao an-toerana ny fototradrafitrasa taorian’ny fahasimbany, ny volana novambra 2025. Miakatra tsikelikely amin’izao ny fisitrahana rano ao Toamasina, taorian’ny fahavitan’ny asa. Afaka hivezivezena ihany koa ny tohodrano mba hahafahan’ny mponina mitatitra ny vokatra ho an’ny fampandrosoan’ny […]

“ITM-IHM 2026” : Maherin’ny 50 ny mpiara-miombon’antoka

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miombon’antoka amin’ny Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany (ITM), andiany faha-12 sy ny ho an’ny Asa tanana (IHM), andiany fahatelo. Mika­rakara azy ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA). Nanome voninahitra ny fotoana ny filoha […]