Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Mpampiasa vola sy mpandraharaha maorisianina hatrany amin’ny 50 no ho tonga eto Madagasikara mandritra ny “Moris-Mada Business”. Hetsika ara-toekarena atao ny 2 ka hatramin’ny 5 jolay. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Maorisy amin’ny alalan’ny fampifandraisana ireo mpandraharaha, mpampiasa vola ary sehatra samihafa. Hampahafantarana an’ireo mpandraharaha maorisianina […]

GetHumancall: Hanohana ny mpianatry ny EPP

Nitondra fanantenana vaovao ho an’ny Sekolim-panjakana ambaratonga fototra (EPP) ao Ambodiafontsy Am­pitatafika, ny hetsika nataon’ny GetHumanCall, amin’ny alalan’ny tetikasa Fandraisan’ an­draikitra ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana (RSE) nataony. Mandray mpianatra miisa 288, ampianarina mpampianatra valo, ny sekoly. “Avy amina fianakaviana sahirana avokoa ny ankamaroan’ny mpianatra, misy amin’izy ireo no kamboty”, hoy […]

Ben’ny Tanàna Manandriana : Tokony hifampiresaka ny fanjakana sy ny Star 

Sahirana ny tantsaha mpamboly orge any amin’ny distrika Manandriana, faritra Amoron’i Mania. Antony, tsy mitsahatra mihena ny velaran-tany azo hambolena ity akora fototra ity, izay ilain’ny orinasa Star amin’ny fanamboarana zava-pisotro labiera. Mahatsapa izany ny ben’ny Tanàn’Ambatomarina, distrika Manandriana, Rianamboariny Jean Pierre. Namba­rany fa mitaraina ireo tantsaha satria mihena ny […]

Angovo maitso: Volavolaina ny fenitra mahakasika ny biogaz

Natao omaly, ny atrikasa fanombohana ny famolavolana ny fenitra nasionaly momba ny biogaz. Tanjona ny hampanaraham-penitra ity seha-pihariana ity, hiarovana ny mpampiasa ny angovo madio maharitra sady miaro ny tontolo iainana. Mikarakara ny atrikasa ny minisiteran’ny Ton­tolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd) sy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo […]

VAOVAO TAMBATRA

Miverina ny delestazy eto Antananarivo. Araka ny fampahalalana avy amin’ny Jirama, tsy tomombana ny milina iray mpamokatra herinaratra ao amin’ny orinasa tsy miankina Symbion Mandroseza, ka banga 9MW ny vokatra hamatsiana ny tambajotra RIA. Nampihatra ny fanapahan-jiro mifandimby na delestazy, ny Jirama, omaly hariva, maharitra 30 mn, nanomboka tamin’ny 5 […]