Toe-karena

«Hazavao ny elakelatrano»: fametrahana jiro manazava manerana ny distrika 119

Tsy mitsaha-miitatra ny tanàn-dehibe eto Madagasikara. Mila manaraka an’izay fironana izay koa ny fotodrafitrasa, ka anisan’izany ny jiro manazava ny arabe sy ny elakelatrano. Anisan’ny ataon’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) sy ny Jirama laharam-pahamehana ny fametrahana jiro manazava ny arabe sy ny elakelatrano. Hanatanterahina izany ny tetikasa «Hazavao […]

Ankadikely Ilafy : tantsaha 52 hanatsara ny fambolem-bary

Nisitraka zezika manaraka ny fenitra hanatsarana ny fambolena amin’ny ankapobeny ny mpamboly 52 avy ao amin’ny fokontany enina, anatin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, omaly. “Efa nisitraka fampiofanana manokana ireo tantsaha ary nisy ny sivana nahafahan’izy ireo nisitrika izao tosika hanatsarana ny fambolena izao”, hoy ny fanazavan’ny ben’ny Tanàn’Ankadikely Ilafy, Rija Rajaonah. […]

Fandalovan’ny sambo INS Sharda : nahazo fitsaboana maimaimpoana ny mponina ao Antsiranana

Toy ny fanaon’ireo sambo mpiady Indianina manefa iraka aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana, niantsona ao amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana ny sambo mpiady INS Sharda, ny 17 hatramin’ny 20 novambra 2023 lasa teo. Misy hatrany ny fifandraisana amin’ireo tomponandraikitra amin’ny fandalovan’izy ireo toy izao satria mandritra ny fiantsonan’ireo mpitsabo ao anatin’izany sambo izany […]

Tetikasa Produir : mitohy ny fiarovana ny vahilava Ikopa sy Sisaony

Manomboka ny volana oktobra hatramin’ny avrily ny fotoam-pahavaratra eto amintsika. Azo tsapain-tanana ny fanamafisan’ny tetikasa Pro­duir, ny vahilava, mirefy 5 km manamorona ny renira­non’Ikopa sy Sisaony, manoloana ny rivodoza tamin’ny fiandohan’ny taona 2023 teo. Saingy mbola anisan’ny namela takaitra ny oram-be tamin’ny taona 2022. Nisy ny asa vonjy taitra tsy […]