Toe-karena

VOKATRA Lomotra : hampitomboina 30 000 taonina, amin’ny 2030

« Hampakarina 30 000 taonina ny vokatra lomotra maina eto amintsika amin’ny taona 2030 raha toa ka manodidina ny 3 000 t izany amin’izao fotoana ». Io ny nambaran’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, omaly, tetsy amin’ny Café de la Gare Soarano, nandritra ny atrikasam-pirenena ho fampiroboroboana ny fambolena lomotra […]

Fampandrosoana : hiara-hiasa i Torkia sy i Madagasikara

Voaresaka nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, sy ny tale misahana an’i Afrika Atsinanana ao anatin’ny vondrona Aser, Enes Ozcan, ny alakamisy teo, ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Aser Technology. Nitodika tamin’ny fanamafisana ny teknolojia eo amin’ireo sehatra maro ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny diniky ny roa […]

Vahaolana lavitr’ezaka : toby famatsian-drano maro hatsangana

Mitotaly 100 000 m3 isan’andro ny rano hovatsian’ny toby vaovao hatsangana eny Laniera, Ambohitrimanjaka, Mandroseza ary Amoronankona. « Tsy hiverina intsony ny olana toy izao amin’ny taona 2025 », hoy ny filoha Rajoelina. Mitentina 200 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena hamahana ny olan’ny rano fisotro eto amintsika. Ho an’Antananarivo sy ny […]

« Salon de l’Auto » : hasandratra ny fiara elektrika

Nanomboka omaly hatramin’ny 13 oktobra ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato, ny hetsika « Salon de l’auto », karakarain’ny Vondrona mpanafatra sy mpivarotra fiara eto Madagasikara (GCAM). Miisa 10 ny mpikambana ao aminy, ary 25 ny mpampiranty, ahitana mpivarotra fiara amin’ny ankapobeny, kamiao, fiara vaventy enti-miasa, moto, kojakoja, vokatra ilain’ny fiara, […]