Tsy mety foana ny andiam-balala, saingy misy ny fomba mahomby hiadiana aminy. Mihena tsikelikely ny velaran-tany ahitana azy. Tanjona ny paikady fisorohana ny fitomboany. Misahana ny ady amin’ny valala ny Ivontoerana Famongorana ny valala eto Madagasikara (IFVM), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA). Manohana ara-teknika azy […]
Toe-karena
Aero Expo eny Ivato: Fampisehoana ny tontolo ana habakabaka
Hatao ny 30 sy 31 mey ho avy izao, eny amin’ny Vondron-tafika Helikoptera Ivato, ny hetsika goavana manodidina ny tontolo ana habakabaka, “Aero Expo 2026”. Andiany faharoa ity hetsika ity, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taona niorenan’ny Tafika ana habakabaka malagasy. Anisan’ny mpiara-miombon’antoka manohana azy manokana ny orinasa Yas […]
Spat Toamasina : Nampiakarina ho 5 000 ny zana-kazo nambolena
Eo anelanelan’ny 1 500 hatramin’ny 2 500 isan-taona ny zana-kazo ambolen’ny orinasa Spat (Société du port à gestion autonome de Toamasina), mitantana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Mitsinjara roa ny toerana hanatanterahina izany, any amin’ny Faritra arovana Ivoloina sy any Brickaville. Karazana hazoala sy zanatany no hambolena. Manodidina ny 50 hatramin’ny 80 ny mpiasa […]
Varotra eto Afrika : Hatsangana ny komitim-pirenena ho an’ny Zlecaf
Hanampy an’i Madagasikara hamolavola paikady sy hitrandraka ny tsena afrikanina ny fametrahana ny komity hanara-maso ny Faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikanina (Zlecaf). Ivondronan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina ity vondrona ity. Manomana ny fidirana ao anatin’ny Faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikanina (Zlecaf) i Madagasika. Natao omaly, ny […]
Teknolojia niomerika: Andry iankinan’ny fampandrosoana
Manan-danja amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny fiainan’ny mponina ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Nivoitra izany nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenana ho an’ny fifandraisan-davitra sy ny fiarahamonina ara-niomerika, ny alahady teo. Mitohy ny ezaka ho an’i Madagasikara hanatsarana ny tambajotram-pifandraisana manerana ny Nosy. Ny taona 2024, mahatratra 80% ny […]




