Natao sonia ny 11 oktobra teo ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), sy ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny sakafo (FAO). Tafiditra ao anatin’ny Fandaharanasa lasitra isaky ny firenena (CCP), ho an’ny taona 2022-2025, hanatrarana ny Tanjona ho an’ny fampandrosoana maharitra (ODD), napetraky ny ONU ity fifanarahana […]
Toe-karena
Fly over : mitentina 31,5 tapitrisa dolara ny tetikasa
Tontosa, afakomaly, nandritra ny fihaonamben’ny vondron’ ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), tany Marrakech, Maroc ny fifanaovan-tsonia famatsiam-bola eo amin’i Madagasikara sy ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana eto Afrika (Badea) ho an’ny fanatanterahana ny tetikasa “Fly Over” eny amin’ny Makis Andohatapenaka. Mitentina 31,5 tapitrisa dolara ny tetikasa […]
Tetikasa Folur : hifantoka amin’ny tontolo iainana sy ny famokarana
Hamerina amin’ny laoniny ireo ala simba sy hampiroborobo ny famokarana ary hanatsara ny fari-piainan’ny mponina hisorohana ny fanimbana ny tontolo iainana. Ireo ny teboka apetraky ny tetikasa “Folur”. Tanjona apetrak’i Madagasikara ny hanatrarana ny fahavitantena ara-tsakafo anatin’ny fiarovana amin’ny fomba maharitra ny harena voajanahary. Hifantoka amin’izay indrindra ny tetikasa Folur […]
Ady amin’ny valala : mamolavola paikady maharitra ny IFVM
Ho voafehy tanteraka tsy ho ela ny firongatry ny valala eto Madagasikara. Anatin’ny famolavolana paikady hanatanterahina izany indrindra ny ivontoerana famongorana valala eto Madagasikara (IFVM). Vinan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana rahateo ny hampitsaharana ny fihanaky ny valala, hiarovana ny fambolena ary hifehezana maharitra ny valala mba tsy hanimba voly. […]
Fihariana : asa mahavelona sy mampidi-bola ny fiompiana trondro
Azo atao tsara ny mivelona amin’ny jono. Fihariana ahazoana tombony sy mampidi-bola izy ary sakafo ara-pahasalamana ho an’ny daholobe. Tombony ho an’i Madagasikara ny fananana fari-dranomasina midadasika sy renirano maro isan-karazany. Sehatra mbola malalaka sy mahaliana ny ankabeazan’ny olona ny jono. Fihariana mampidi-bola sy mahavelona ary hahazoan-tombontsoa maro ny fiompiana […]




