Toe-karena

Paositra malagasy: tafapetraka ny «digital center»

Ivontoerana atao hampiroboroboana ny fandraharahana sy ny niomerika ny “digital center” eny anivon’ny paositra malagasy. Hisokatra ho an’ny rehetra izany ary natao hampivelarana ny seha-piharian’ny tsirairay. Notokanana teny amin’ny biraon’ny paositra malagasy etsy Antaninare­nina ny “digital center”. Ivontoerana misahana ny niomerika fa indrindra ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahana. Fotodrafitrasa ahafahana […]

Jirama: vitaina amin’ity oktobra ity ny fampidiran-jiro

Mampandre ny mpanjifa voakasika ny Jirama fa misy ny toromarika hentitra avy amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo. Voakasik’ izany ny fanatanterahana ny fangatahan’ny mpanjifa rehetra efa nahaloa ny sarany rehetra, amin’ny fampidiran-jiro tsy vita sy ny fanoloana ny kaontera manana olana ara-teknika, ilay antsoina hoe «Compteur Ibanor». Voakasik’izany avokoa […]

Faritra Atsimo Atsinanana: mpanjono maherin’ny 1 500 nahazo fitaovam-panjonoana

Midina ifotony ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, ny herinandro lasa teo. Maherin’ny 1 500 ny mpanjono madinika nahazo fitaovana sy kojakoja ilaina amin’ny fanjonoana tany amin’ny kaominina maro any Atsimo Atsinanana. Mahatsapa izany ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga fa mila fitaovana enti-miasa ny mpanjono madinika. Nitety […]

Toekarena manga : fotodrafitrasa 7 hampandrosoana ny jono

Manana ny lanjany amin’ ny lafiny fampandrosoana eto amintsika ny sehatry ny jono, satria manana fari-dranomasina midadasika i Madagasi­kara. Manana paikady mazava ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, misahana izany ao anatin’ny fandaharanasa «Fampandrosoana sy ny jono sy ny harena an-dranomasina». Maro ny zava-bita tamin’ izany, ka miisa fito […]