Nisokatra nanomboka omaly ny taom-piotazana jirofo ho an’ny taona 2023-2024. Nisy ny lamina napetraka sy atrikasa niarahana tamin’ireo tomponandraikitra sy avy ao amin’ny distirkan’i Vangaindrano, ny herinandro lasa teo. « Vinavinaina ho tsara ny vokatra jirofo amin’ity taom-piotazana ity satria maherin’ny 4.000 t izany. Vokatra tsara kalitao sy afaka miatrika ny […]
Toe-karena
Akon’ny lalaon’ny Nosy 2023: tafakatra 24.000 mpizahatany tonga teto Madagasikara
Herijika ho an’ny sehatry ny fizahantany ny lalaon’ny Nosy natao teto Madagasikara farany teo. Tsara ny vokatra ho an’ireo mpiantsehatra rehetra saingy mbola betsaka ny tokony hatsaraina. Tombony tamin’ny sehatry ny toekarena sy ny fizahantany ny fandraisan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Tamin’ny volana aogositra teo, nahatratra 24 000 […]
Miverina tsikelikely ny famatsian-drano: Vita ilay milina simba eny Mandroseza
Mampahafantatra ny besinimaro ny Jirama fa tontosa omaly alatsinainy, ny fanamboarana ny milina « électropompe » laharana faha-7, nampikorontana ny famatsian-drano tamin’ny toerana maro teto an-drenivohitra. Efa miverina tsikelikely ny famatsiana, saingy mila mandray fepetra ny mpanjifa. Alefa mandritra ny fotoana fohy ny paompin-drano sy ny « robinet », mandrapaha-madio azy, satria mety mbola […]
Fampandrosoana maharitra -ONU: Ny 15%-n’ireo tanjon’ny ODD monja no tratra
Tsy ho tratra ny tanjona miisa 17 napetraky ny Firenena mikambana, ho an’ny fampandrosoana maharitra maneran-tany (ODD). Tena voakasik’ izany ny firenena andalam-pandrosoana. Anisan’ny lohahevitra lehibe dinihina mandritra ny fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU) any New York, ny 19 hatramin’ny 23 septambra izao, ny tombana mahakasika ny Tanjona ho an’ny fampandrosoana […]
Fambolena voatabia : hamokatra 1 400t isan-taona ny tantsaha
Faritra anisan’ny mamokatra voatabia hatrany amin’ny 25 770t isan-taona Mahitsy, distrika Ambohidratrimo. Antony nametrahana milina fanodinam-bokatra ao an-toerana, tamin’ny alalan’ny tetikasa taninketsa indostrialy “one district one factory” (Odof). Tonga tany an-toerana nitondra izany ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, Razafindravahy Edgard, ny zoma teo. […]




