Toe-karena

Tetikasa « Volobe Amont » : hivelatra amina tany 2 000ha

Hampiasa tany ho fanatanterahana ny tetikasa fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny riandrano (centrale hydroélectrique) manana tanjaka 120MW, ny tetikasa «Volobe Amont». Hanao izany ny Compagnie générale d’hydroélectricité de Volobe (CGHV). Mitotaly 2 000ha ny velaran-tany ilain’ny tetikasa ka tanim-panjakana ny ampa­han’izany. Hiasa mandritra ny dimy taona ny CGHV amin’ny fananganana […]

hatolotra ny antenimiera : nivoaka ny volavolan-dalàna mifehy ny angovo avy amin’ny akora biolojika

Voarafitra ny volavolan-dalàna hifehy ny angovo azo avaozina miompana amin’ny akora biolojika. Hodinihina eny anivon’ny antenimiera roa tonta izany mandritra ny fivoriana ara-potoana hatao tsy ho ela. Miompana amina teboka maromaro ny volavolan-dalàna mifehy ny angovo avy amin’ny akora biolojika (bioénergie) taorian’ny atrikasa sy fakan-kevitra natao tetsy amin’ny Le Pavé […]

Fanajariana ny lakandrano C3 : miisa 559 ny tsatoka napetraka eny Anoibe- Namontana

Mitohy ny fanatanterahana ny asa ao anatin’ny Fadaha­ranasa fanajariana sy fanatsarana ny lemak’Antananarivo (Produir), vatsian’ny Banky iraisam- pirenena ara-bola. Voakasik’izany ny fanajariana, ny fanadiovana, ny fanatsarana ny tontolo manodidina ny reniranon’Ikopa sy Sisaony. Anisan’ny asa hatao ny hanadiovana ny lakandrano C3, miainga eny Anosibe hatrany Ambodimita. Nampahafan­ta­rina sady nentanina ny […]

Ady amin’ny kolikoly PAC : manao ranolava ny ben’ ny Tanàna voarohirohy

Nanatanteraka ny fitsarana mitety vohitra ny eo anivon’ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC), avy any Anta­nanarivo, ny 24 sy 25 Aogositra teo. Nisy ny fotoam-pitsarana tetsy amin’ny Lapan’ny fitsarana ambony Toamasina, nifantoka tamina fanodikodinam-bolam-panjakana, hosoka sy fanoratana hosoka, fanararaotam-pahefana, nitsarana ben’ny Tanàna maromaro nandalo fotoam-pitsarana. Ho an’ny kaominina ambanivohitr ‘Antsampanana, […]

Famatsian-drano : misy tsy tomombana ny milina eny Mandroseza

Mihena ny famatsian-drano amin’ny faritra maromaro eto Antananarivo satria simba ny ampahany amin’ny milina eny Mandroseza. Misy ny vahaolana vonjy maika raisin’ny Jirama, mandra-pahasolo ny milina izay tsy maintsy hafarana any ivelany. Misy fahasimbana ny paompy eny amin’ny toby famokarana rano eny Mandroseza. Araka ny fanomezam-baovao avy amin’ ny Jirama, […]