Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Manomboka androany ka haharitra telo andro ny tsenaben’ny fizahantany andiany fahavalo sy ny tsenaben’ny asa tanana andiany voalohany. Hita eny amin’ny kianja Barea Mahamasina avokoa ireo mpikarakara fivahinianana misehatra amin’ny fizahantany sy mpanao asa tanana matihanina maro manome lanja ny vita malagasy. Hitombo 5% ny fitomboan-karena, araka ny voasoratra anaty […]

Fisondrotry ny haba 0,5% : toherin’ny mpandraharaha Mobile Money

Tsy manaiky ny fisondrotry ny haba +0,5%, alaina amin’ny fifanakalozam-bola amin’ny finday (mobile Money), ireo mpandraharaha telo. Araka ny fanambarana iombonana na­taon’izy ireo, afakomaly, ho lasa vesatra ho an’ny mpanjifa ny fikasan’ny fitantanana foibe ny hetra. Mety hampisondrotra avo roa hatramin’ny dimy heny ny saran’ny fifanakalozam-bola alain’ireo toerana Cash point, […]

Vehivavy mandraharaha : mitaky ezaka ny fitadiavana lalam-barotra

Manaraka fiofanana ho fampivoarana ny lalam-barotra eto an-toerana sy any Afrika ary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireo vehivavy mpandraharaha miisa 20 avy amina faritra fito eto Ma­dagasikara. Fiofanana atao eny amin’ny Nexius Andra­nobevava, mandritra ny herinandro. Tanjona ny hanomezana ireo torolalana amin’ny fitadiavana lalam-barotra eto Afrika, hanatsarana ny kalitaon’ny vokatra. […]

VAOVAO TAMBATRA

Manomboka miakatra ireo vidin’entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro eny an-tsena. Voa­kasik’izany ny menaka, ny siramamy, ny entona fandrehitra ary ny arina. Mampitandrina ireo mpivarotra minia manararaotra mampiakatra ny vidin’entana tafahoatra sy ny fivarotana entana lany daty ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra. Velon-taraina manoloana ny zava-misy sahady ny […]