Toe-karena

Brickaville sy Manakara: Napetraka ny fari-pitrandrahana

Nidina ifotony tany amin’ny kaominina Anivorano sy Fetraomby, distrika Brickaville, ny fitantanam-paritry ny harena an-kibon’ny tany (DRMRS) Atsinanana sy ny BCMM Toamasina, ny 16 hatramin’ny 20 marsa teo. Napetraka ny fari-pitrandrahana voafehy (Zone d’encadrement) ny harena ambanin’ny tany madinika tany an-toerana. Natao ny 24 marsa kosa ny tany Mahavelobe, kaominina […]

banky BMOI : Hisy tohana sy antoka ho an’ny fananganana trano fonenana vaovao

Vitsy ny Malagasy afaka manangana na manavao ny trano fonenany. Manome vahaolana ny banky BMOI, hanohanana ny mpanjifa, hisitraka trano sahaza. Manome tolotra vaovao sy miavaka ny banky BMOI, sampan’ny Vondrona BCP. Nambaran’ny tomponandraikitra fa natao ireo tolotra ireo, satria maro no tsy manana ny fahefa-mividy ho an’ny trano fonenana. […]

VAOVAO TAMBATRA

Mandroso hatrany amin’ny 24% ny asa fanamboaran-dalana Antsohihy-Bealanana, RN31. Efa vita ny sosona fototra, manomboka eo amin’ny PK0 hatrany amin’ny PK48+700, any Ankazibetsiahy-Antsahabe. Efa tafapetraka ny « dalots » miisa 191 amin’ny 523, ka eo am-pamaranana ny 5. Miisa 8 amin’ny 29 ny tetezana efa vita. Mizotra araka ny tokony ho izy […]

Menabe: Rano fisotro madio ho an’olona 2 000

Nametrahana paompy miisa 4, siniben-drano manana hadiry 5m³ any amin’ny kaominina Andranomainty, fokontany Bermia, faritra Menabe, ny herinandro teo. Manodidina ny 600 ny mponina misitraka azy. Mandeha amin’ny herin’ny masoandro ity fotodrafitrasa ity, tambajotra fizarana rano amin’ny paompy. Manodidina ny 750 ny olona misitraka azy any amin’ny kaominina Andranofotsy. Na­hazo […]

Soanierana Ivongo : Natsahatra ireo mpitran­draka tsy ara-dalàna

Nidina tany ifotony, tanaty ala, ny lehiben’ny distrika Soanierana Ivongo, sady lehiben’ny OMC. Tafiditra anaty faritra arovana ny alan’Ambalanirana, fokontany Antanadava, kaominina Manompana, distrika Soanierana Ivongo, faritra Analanjirofo. Ny 18 hatramin’ny 21 marsa teo no nanatanterahina izany, niarahan’ny tomponandraikitra sivily sy miaramila, ka anisany ny fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany […]