Mazava ny paikadin’ny Tetikasa Volobe II CGHV (Compagnie générale d’hydroéléctricité de Volobe, II). Ny fahaleovantena amin’ny angovo no antoka hampandrosoana an’i Toamasina. Fantatra izany nandritra ny atrikasa nokarakarain’ny laboratoara Fidepa, ny alatsinainy 11 mey teo. Andrasan’ny CGHV, ny Spat, ny Oniversiten’i Toamasina ary ny Antenimieran’ny varotra ireo fiarahamonim-pirenena sy mpandraharaha […]
Toe-karena
Olan’ny rano : Fantsona efa antitra 64 km hosoloina
Anisan’ny tena olana amin’ny famatsian-drano eto an-dRenivohitra ny fantsona efa antitra sy harafesina. Ankehitriny, efa an-dalam-panatanterahana ny fanoloana azy ireny, raha tsy nety vita hatramin’izay fa nijanona ho fikasana ihany. Feno 50 taona ny orinasam-panjakana Jirama. Anisan’ny tena mampitaraina ny mpanjifa tato aho ato ny fihenan’ny famatsian-drano, ka nilazan’ny mpitantana […]
VAOVAO TAMBATRA
Hamafisina ny fiarovana ny Valanjavaboahary Menabe Antimena (Apma). Tonga tany Beroboka, distrikan’i Belo Tsiribihina, ny tomponandraiki-panjakana rehetra, niaraka tamin’ireo fikambanana miaro ny tontolo iainana any an-toerana. Nohazavaina ny faritra misy ny tanin’i Deholme, ny faritry ny Ala Fady sy ny hafa tamin’ny alalan’ny fanehoana ny sarintany mamaritra azy ireo avy. […]
Zotra ana habakabaka: Mitohy ny fiaraha-miasa amin’ny Emirates
Nitsidika ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), Andrianavalona Herizo, ny talata 12 mey teo, ny tomponandraikitry ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Emirates sy ny avy amin’ny sambo mpitsabo Mercy Ships. Naneho ny fahavononany hanohizana ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny Emirates. Tanjona ny hisian’ny fiantraikan’ny asa iarahana mivantana […]
Fahaleovantena niomerika : Fanamby hampivoarana an’i Afrika
Zava-dehibe ny fananana fotodrafitrasa niomerika afrikanina mba hiarovana ny angon-drakitra. Hampidirana ny teny sy ny kolontsaina afrikanina ao anatin’ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) sy hampiroboroboana ny talenta sy ny fiaraha-miasa eto Afrika. Nivoitra izany nandritra ny hetsika “Africa Forward Summit”, natao tany Nairobi. « Africa must move from digital dependence to digital […]




