Notanterahina, omaly, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny fanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny governemanta malagasy sy ny repoblikan’i Korea Atsimo. Hanamafisana ny fahalalahan’ireo orinasa koreanina hampiasa vola eto Madagasikara. Mba hampivoarana ny fitrandrahana angovo sy ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Manana tombony goavana i Madagasikara noho ny fananany harena voajanahary ary antoka […]
Toe-karena
Hanam-pamokarana: tantsaha 292 nahazo tombontsoa
Nisitraka hanam-pamokarana, tamin’ny alalan’ny tetikasa PURPA, ireo kaominina valo ao amin’ny faritra Amoron’i Mania, ny herinandro teo. Nahatratra 292 ny tantsaha nahazo ny masomboly vary milanja 2 628 kg, zezika NPK 4 380 kg sy zezika biolojika 21 900 kg. Tetikasa enti-mampiroborobo ny famokarana sy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo […]
Tetikasa “Lead asa 400”: mponina 2 tapitrisa hisitraka herinaratry ny Jirama
Anisan’ny paikady hampitomboana ny ambaindain’ny orinasa Jirama ny fanitarana ny tambajotra. Kendrena ny hampidirana jiro any amin’ireo faritra na toerana tsy mbola misitraka herinaratra. Tafiditra ao anatin’ny velirano faharoan’ny Filoha Rajoelina, ny hoe «Herinaratra ho an’ny rehetra». Anisan’ny hanatanterahana izany ny tetikasa “Lead asa 400” sy ny PDDR-CERC. Mamatsy vola […]
Banky Iraisam-pirenena : tsy ho tratra ny tanjon’ny rano fisotro madio
Namoaka tatitra ny Banky Iraisam-pirenena. Aminy, tsy ho tratra ny tanjona napetraka ho an’ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) apetraky ny Firenena Mikambana mikasika ny rano fisotro madio. Raha ny antontanisa navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena, manodidina ny 1,6 miliara ny olona tsy manana rano fisotro madio hatramin’ny taona 2030. Miisa 2,8 miliara […]
Faritra Sava : efa miomana amin’ny fambolen-kazo
Fotoana fanomanana ny taom-pambolen-kazo taona 2023-2024 izao. Ao anatin’izany ny fanombohana ny fambolena ny zanakazo. Natao ny 21 aogositra teo ny fanangonana ny voa nataon’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dredd) any Sava. Nanombohana azy ny fitangosana sy ny fanangonana ny voa acacia sy kininina. Ankoatra izany, […]




