Manome vahana ny tanora malagasy ny WWF, amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zava-mananaina. Tohanana izy ireo, mba hanana fahaiza-mitarika eo amin’ny fiarahamonina. Araka ny antontanisa navoakan’ny rafitry ny Firenena Mikambana misahana ny mponina (UNFPA), latsaky ny 25 taona ny 2/3-n’ ny Malagasy (64%). Latsaky ny 15 taona ny […]
Toe-karena
Karazan-javamananaina : mirindra ny fampivadiana azy amin’ny fambolena
Tsara ny tombana tamin’ ny fampidirana ny karazan-javamananaina eo amin’ny sehatry ny fambolena eto Madagasikara. Vokatra azo tamin’ny alalan’ny fiaraha-mientan’ny mpisehatra avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy ary ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Nisy ny atrikasa nahafahan’ireo mpiantsehatra fototra […]
Fihariana ronono : mbola ambany ny famokarana
100 tapitrisa litatra isan-taona ny vokatra ronono eto Madagasikara. Vinavinaina hampiakarina ho 145 l noho ny filàna. Mbola ambany ihany koa ny ronono azo amin’ny ankamaroan’ny ombivavy satria mbola 8 l isan’andro izany raha tokony ho 15 ka hatramin’ny 20 l. Ho fanohanana sy fampiakarana ny lentan’ny famokarana, nisy ny […]
Andiany faha-9, Imatep: taranja hianaran’ny mpamory vola ny ady amin’ny kolikoly
Anisan’ny mampiavaka ny andiany fahasivy ho mpamory vola zokiny nivoaka teny amin’ny Imatep, ny nisantarana ny taranja hiadiana amin’ny kolikoly. Ambony be koa ny haavon’ny fari-pahalalan’izy ireo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly 25 aogositra, ireo 26 mianadahy, mpamory vola zokiny, andiany faha-9. Niofana nandritra ny herintaona tao amin’ ny Ivontoerana […]
Airtel sy ny polisim-pirenena : nanolotra fitaovam-pifandraisan-davitra ho an’ny zaza kamboty
Manome lanja ny fanabeazana ny ankizy ny Airtel. Nanolotra fitaovana sy kojakoja samihafa mikasika ny fifandraisan-davitra, ho an’ny toby fitaizana zaza kamboty an’ny polisim-pirenena any Ambatolampy, ity orinasa ity, ny 21 aogositra teo. Anisan’izany ny fitaovana « routeur » iray misy fahana mandritra ny herintaona, miampy ordinatera iray. Azo ampiasaina hiatrehana ny […]




