Toe-karena

alan’i Makira : Vola 16 tapitrisa dolara hiarovana azy

Hanokana 16 tapitrisa dolara ny orinasa iraisam-pirenena Rio Tinto, ao anatin’ny tetikasa Redd+. Entina hitantanana sy hiarovana ny valanjavaboaharin’i Makira, any avaratr’i Mada­gasikara, io fampiasam-bola io, iarahana amin’ny fikambanana Wildlife Conservation Society (WCS), ny Everland ary ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Anisan’ny ala mando mikitroka, hany […]

Fifanakalozana : hiara-hiasa ny CCIFM sy ny Nosy Mayotte

Vita sonia, omaly, teny amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria France Madagascar (CCIFM) Androhibe, ny fifanaraham-piaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Nosy Mayotte. Tanjona ny hampiroboroboana ireo tetikasa ara-toekarena iombonana, hisarihana ny fampiasam-bola ho an’ny fampandrosoana ny nosy roa tonta. Hitondra tombontsoa betsaka ho an’ny sehatry ny fizahantany, ny fambolena, ny jono […]

Airtel Money-Cart’In: azo aloa amin’ny finday ny entan’ny Amazon

Vita sonia ny 11 novambra teo, ny fifanarahana eo amin’ny orinasa Airtel money sy ny Cart’In. Azo atao, ankehitriny, ny man­doa ny vidin’entana any amin’ny tranombarotra lehibe any ivelany Amazon, amin’ny alalan’ny finday. Tanjon’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ny ha­­nomezana tolotra sahaza ny re­hetra sy azo antoka, hampitomboana ny fikirakirana ara-bola. […]

Jono madinika : mampidi-bola hatrany amin’ny 3 miliara Ar isan-taona

Mahatratra 70% ny vokatra azo avy amin’ny jono madinika eto Madagasikara. Mamelona olona 1 500 000 izany ary mampidi-bola 3 miliara Ar ao anatin’ny kitapombolam-panjakana. Azo avy amin’ny jono madinika ny ankamaroan’ny vokatra eto amintsika saingy amidy eny amin’ny tsena anatiny avokoa ny 60% amin’izany Azo avy amin’ny jono salantsalany ny 7% […]

« PLFI 2025 »: 562 miliara Ar ny tetibola ho an’ny angovo

Laharam-pahamehana ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (PLFI) 2025 ny sehatry ny angovo sy ny famokarana. Hanova famindra tanteraka ny fitondram-panjakana ka ho « ampitomboina 562 miliara Ar ny tetibolan’ny minisiteran’ny Angovo ho fanampiana ara-pitaovana ho an’ny famokarana herinaratra », hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, omaly, […]