Dinihina mandritra ny Africa Forward, atsy Nairobi Kenya, ny hampivondronana ireo mpisehatra rehetra mitondra fiovana aty amin’ny kaontinanta afrikana. Mandray anjara amin’ity fivoriana iraisam-pirenena ity ny delegasionina malagasy, tarihin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, izay tonga tany an-toerana, omaly. Nivoaka omaly ny antso ho an’izay liana hitantana […]
Toe-karena
Fim 2026 : Fahombiazana tanteraka ny hetsika
Nifarana tetsy amin’ny Centre de conférence international (CCI) Ivato, ny alahady teo, ny Tsenabe iraisam-pirenena eto Madagasikara na “ Foire internationale de Madagascar” (Fim), andiany faha-27. Nisongadina nandritra ny efatr’andro ny fandraharahana sy ny vokatra malagasy izay nifantoka tamin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fampihaonana ireo mpisehatra. “Fahombiazana ny hetsika tamin’ity […]
MECC : Nanamafy ny paikadim-panondranam-bokatra
Nanohana ny fandraharahana sy ny vokatra malagasy ny iraka ara-toekarena sy ara-barotra “Mission économique et commerciale au Canada” (MECC) 2026. Hetsika natao tany Montréal, Kanada, ny 29 avrily ka hatramin’ny 1 mey teo. Nitarika izany ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana, tamin’ ny alalan’ny talen’ny Fampiroboroboana ny fifanakalozana amin’ny any […]
Tale jeneralin’ny Spat : “Tsy amidy izany ny LMOI”
Nandaniana 7 miliara Ar ny fanavaozana ny fitaovana sy ny kojakoja ao amin’ny LMOI, sampana mitantana ny fantsona lehibe hamindrana ny varimbazaha avy any anaty sambo. Nohavaozina ny fifanarahana amin’ny fitantanana azy mba tsy ho vesatra ho an’ny Spat. Nisy feo niely teny amin’ ny tambajotran-tserasera fa hamidy amin’ny karana […]
VAOVAO TAMBATRA
Hisy fifanarahana vaovao hamerana ny vidin-tsolika hataon’ny fanjakana sy ny FMI (Tahirimbola iraisam-pirenena). Fifanarahana talohan’ny nipoahan’ny adin’Iran sy Israely ary i Etazonia manko ny teo aloha, tsy mihoatra na ho latsaky ny 200 Ar isaky ny litatra ny fiovan’ny vidin-tsolika. Vidiny tamin’ny volana febroary no mihatra, ankehitriny, fotoana tsy mbola […]




