Andrasana amin’ny herinandro ny fifampidinihana eo amin’ny ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Vonona hamaha ny olana ny fanjakana ka miantso manokana ny Vondron’ny orinasa eto Madagasikara. Hihaona sy hifampidinika amin’ny sehatra tsy miankina ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, ny herinandro ho avy izao, raha ny nambarany nandritra ny fanokafana […]
Toe-karena
Angovo : Hiverina ny fanitsiana ny vidin-tsolika
Tapaka taorian’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa hiverina ny fanitsiana ny vidin-tsolika. Mety hiova, araka izany, ny vidin-tsolika manomboka amin’ity faran’ny herinandro ity. Tsiahivina fa niditra tamin’ny hamehana ara-angovo isika nanomboka ny volana avrily teo. Fanapahan-kevitra natao mba hampihena ny fiantraikan’ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena eto amintsika. […]
VAOVAO TAMBATRA
Manohana ny fifampiresahan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ny federasionin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara (FCCIM). Mampivondrona ireo mpisehatra ara-toekarena manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny CCI izy. Miantoka ihany koa ny fampandrosoana ireo seha-pihariana samihafa ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Tohanany ny fifampiresahan’ny fanjakana sy ny sehatra […]
Imperial Brands : Tsara ny vokatra amin’ireo tetikasa
« Manana andraikitra tokony horaisina ny tsirairay amin’ny fampandrosoana maharitra ny firenena, amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra sy hetsika mampandroso ny manodidina », hoy ny tomponandraikitry ny fifandraisana sy ny RSE ao amin’ny vondrona Imperial Brands Madagascar, Rabearisoa Malalatiana. Mampivoatra sy mampandroso ny manodidina sy ireo mpiasa ny tetikasa. Zava-dehibe ihany koa ny fifampizarana […]
Fambolena sy fiompiana : Eo am-panomanana ny Fanisana RGA-3
Natomboka omaly, tetsy amin’ny Hotel Carlton Anosy, ny asa fanomanana ny Fanisana ankapobeny, andiany fahatelo (RGA-3) momba ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Nisy, araka izany, ny fivoriana niarahan’ireo minisitera voakasika, ny eo anivon’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo ( MiASA), […]





