Manohy ny ady amin’ny fiparitahan’ny entana lany daty manerana ny Nosy ny ekipan’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana. Maro ireo entana tratra sy nogiazana, hanokafana fanadihadiana kosa ireo mpivarotra tsy manaja ny fenitry ny fivarotana. Tao Andakabe sy Namahora, faritra Menabe, dibera miisa 29 no tratra ka handraisana fepetra. Nahatrarana […]
Toe-karena
Ascent Madagascar : 250 tapitrisa dolara hanamafy ny fisitrahana angovo
Mitentina 250 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola nomen’ny Banky iraisam-pirenena hanohanana ny tetikasa « Accelerating Sustainable and Clean Energy Access Transformation in Madagascar » (Ascent Madagascar). Tanjona ny hisitrahan’ny malagasy maherin’ny 2,5 tapitrisa ny herinaratra sy hampiasana ny angovo madio ho an’ny sakafo. Hiasa amin’ireo tanàn-dehibe sy faritra ambanivohitra ny tetikasa. […]
Minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga: Tafapetraka ny sekretera jeneraly vaovao
10 andro aty aoriana, vita soa aman-tsara omaly, ny fifamindran’asa eo amin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ ny Jono sy ny toekarena manga. Tsy nahasakana ny famitana izany ny savorovoro vao maraina sy ny sakana nataon’ ny mpiasa sasany sy ny sendikà. Tanteraka ihany! Nandray ny toerana maha sekretera jeneraly vaovao ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Mitohy ny fanamboarana ny lalana tena ratsy eo Andranofasika, RN4, hatrany Ambatoboeny (RN33b). Mirefy 20 km ity lalana harenina ity. Toraka izany koa ny amin’ny RN4, eo Ambondromamy hatrany Andranolava. Vola avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny lalana (FR) no hanatanterahana ireo asa ireo. Hanamora ny fivezivezen’ny mponina sy ny vokatra […]
Orange Madagascar: Fitetezam-paritra hanakaikezana ny mpanjifa
Zava-dehibe ho an’ny Orange Madagascar ny manamafy ny fifandraisany amin’ ny mpanjifa. Paikady nanatanterahiny izany ny fitetezam-paritra “Roadshow”, hetsika notarihin’ny Tale jeneralin’ny orinasa, Aminata Ndiaye, tany amin’ny faritra avaratry ny Nosy, tao Nosy Be sy Antsiranana, ny alahady teo. Nisy ny fifanakalozan-kevitra mivantana sy malalaka niarahana tamin’ireo mpanjifa sy orinasa […]




