Toe-karena

CNaPS : tale jeneraly vaovao Rahaingonjatovo Vimbina

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny 2 aogositra teo, ny fanendrena an-dRahaingonjatovo Vimbina, ho tale jeneraly (DG) vaovao, hitantana ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS). Miisa dimy ny nandrotsaka antontan-taratasy hofidin’ny fanjakana, ka izy izany no voasivana farany. Miverina miasa daholo ny mpiasan’ny CNaPS rehetra sady misokatra amin’ny ora mahazatra […]

Madagasikara sy La Réunion : fiaraha-miasa amin’ny seha-pihariana mitondra fampandrosoana

Mitohy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa isam-paritra eo amin’i Madagasikara sy La Réunion. Seha-pihariana maro no tsidihan’ny delegasiona malagasy ikarohana fiaraha-miombon’antoka sy lalam-barotra Mitsidika atsy La Réu­ni­on ny delegasiona tarihin’ny filohan’ny Ante­ni­mierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana, miaraka amin’ny Malagasy mpandraharaha. Manotrona azy ireo koa ny loholona isany, Eddie Fernand Serge (sady kestora) […]

Hetsika “Fier Mada” : hahafahana manondram-bokatra any ivelany

Fotoan-dehibe iray mampivondrona ny mpisehatra amin’ny fambolena sy ny fiompiana avy amin’ny faritra 23 manerana ny Nosy ny hetsika “foire internationale de l’économie rurale de Madagascar” (Fier-Mada) andiany faha-24, atao eny amin’ny kianja Maki Andohatapenaka. Niavaka ny hetsika tamin’ity taona ity. “Olom-baovao avokoa ny 60%-n’ ireo mpandray anjara”, hoy ny […]

Marofatike Maromiandra : manohana ny tetikasa Base Toliara hatrany ny mponina

Tsy very fanantenana ny mponina ao amin’ny fokontany Marofatike, kaominina Ma­romiandra, distrika Toliara II. Mandalo ao amin’ity tanàna ity ny lalana mankany amin’ny toeram-pitrandrahan’ny orinasa Base Toliara, izay mihantona, ankehitriny. Nisaotra ny sefo fokontany, Rambeloson Mahioky, fa manana finoana izy ireo ny hisokafan’ny tetikasa, satria maro ny tombontsoa azo tany […]