Tafiditra anatin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana ny hetsika « Foire internationale de l’économie rurale de Madagascar (Fier Mada) 2023 ». Hatramin’ny taona 1999, atao isaky ny voalohan’ny volana aogositra ny hetsika. Maharitra dimy andro ny fier Mada, izay atao eny amin’ny kianjan’ny Maki Andohatapenaka, ny 2 hatramin’ny 6 aogositra […]
Toe-karena
GEM : mitaky ny hanokafana haingana ny Cnaps
Hentitra ary mitaky tsy misy fepetra ny hanokafana haingana ny Cnaps ny vondron’ny mpiasa sy ny mpampiasa (GEM). Raisin’izy ireo ho fanaovana takalonaina ny mpiasa mpandoa latsakemboka ny fikatsoan’ny raharaha. Nampiaka-peo manoloana ny raharaha eny anivon’ny tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps) ny Groupement des enterprises de Madagascar (GEM). Mitaky […]
Fako plastika: manimba ny famokarana sy ny nofontany
Singa iray anisan’ny mamotika ny nofontany ny fako plastika. Sakana amin’ny famokarana izy noho ireo akora misy poizina mandrafitra azy. “Mihena tsikelikely ny tahan’ny fambolena ary tonga hatramin’ny tsy famokaran’ny tany intsony ny fiparitahan’ny fako plastika”, hoy ny fanazavan’ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, Dr Salama Jean Claude, […]
Fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria : hiara-hiasa ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina
Vita sonia omaly, tetsy Ankorondrano, ny fifanekena eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny sehatra tsy miankina momba ny fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria. Hiara-dia sy hifanome tanana ary hifanohana ny fanjakana sy ny mpandraharaha amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara. Ahafahan’ ireo mpandraharaha mahafantatra ny sehatra iarahany miasa amin’ny Fanjakana […]
Madagascar Airlines: Betsaka ireo sidina niato
Niteraka resabe teo amin’ny tambajotran-tserasera sy teny anivon’ny fiarahamonina ny raharaha “Madagascar Airlines” izay voatery nampiato sidina maromaro. Nitondra fanazavana tao amin’ny tambajotra sosialy mahakasika izany ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny kaompania, Rakotomanga Rinah. Nambarany fa mbola vitsy ireo fiaramanidina niasa taorian’ny fisokafan’ny sisintanin’i Madagasikara, nandritra izay roa taona sy tapany izay. […]




