Fanamby iraisan’ny tsirairay ny hanorina trano hisorohana amin’ny olana samihafa. Aman-tapitrisany maro ny fananganana trano ara-dalàna sy manana ireo fepetra takin’ny fanamboarana. Tsy mora ny manangana trano manaraka ny fepetra ara-dalàna. Betsaka amin’ireo mpanangana no tsy manaraka ny fenitra takin’ny fanamboarana. Vokany, tsy maharitra ny fotodrafitrasa. Ankehitriny, manomboka amin’ny 40 […]
Toe-karena
Fitantanan-draharaha: niofana ny mpiasan’ny kaominina
Miisa 504 ny mpiasan’ny kaominina nahazo fiofanana avy any amin’ny faritra miisa dimy: Sava, Analamanga, Menabe, Atsinanana ary Analanjirofo. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ivontoeram-pirenena mikasika ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana ifotony (INDDL) sy ny Tahirim-bola ho an’ny fampandrosoana eny ifotony (FDL). Nanohana ny governemanta Amerikana, amin’ny alalan’ny Antokondraharaha ho […]
Firenena an-dalam-pandrosoana: avy amin’ny tsy miankina ny ¾-n’ny fampiasam-bola
Fanoitran’ny fampandrosoana ara-toekarena ny sehatra tsy miankina. Araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena farany teo, miankina amin’ny fihetsiky ny orinasa tsy miankina sy ny mpanjifa ny hoavin’ny firenena rehetra maneran-tany, manoloana izao krizy ara-toekarena mavaivay izao. Fototry ny seha-pihariana manan-danja ny fampiasam-bolan’ny tsy miankina. Fomba hanatanterahana azy ny famoronan’izy ireo tolotra vaovao, mba hamoronana asa. Mitaky fifamatorana […]
Lalam-pirenena faharoa : arindra ny fifamoivoizana
Maika ny fanarenana ny lalam-pirenena eto amintsika. Anisan’izany ny RN 2 izay tsy maintsy arindra ny fifamoivoizana satria maro ny fiara mivezivezy aminy. Miisa roa ny orinasa manao ny asa fanarenana ny lalam-pirenena faharoa (RN 2). Nisy fivoriana notarihin’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valéry, niaraka […]
Nosy-Be : mpizahatany 2 000 tonga isan-kerinandro
Manomboka miverina tsikelikely ny sehatry ny fizahantany ao Nosy-Be, roa taona taorian’ny krizin’ny Covid-19. Ankehitriny, mahatratra 2 000 isan-kerinandro ireo mpizahatany tonga mitsidika sy miala sasatra ao amin’ity nosy manitra ity, araka ny tatitry ny ofisim-paritry ny fizahantany ao Nosy-Be (ORTNB). Feno, manaraka izay, koa ny trano fandraisam-bahiny any an-toerana. […]




