Nihaona tamin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, (CUA), Andriantsitohaina Naina, omaly ireo mpikambana ao amin’ny Fiombonan’ny kaoperativa mpitatitra an-tanàn-dehibe (UCTU). Nilaza ny fitantanana ny CUA, fa tsy mbola fotoana tokony hampiakarana ny saran-dalana izao. Koa, nangataka ny ben’ny Tanàna mba ho aorian’ny fifidianana ho filoham-pirenena sy ny fanaovany fianianana amin’ny 2024 vao hifampidinika ny […]
Toe-karena
«Train Urbain » : handeha amin’ny gazoala
Vinavinaina horaisina amin’ny fomba ofisialy amin’ny volana aogositra izao ilay tetikasa fitaterana an-dalamby “train urbain” (TU). Efa tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny faran’ny volana may teo ihany koa ireo fiarandalamby hampiasaina amin’ity tetikasa ity. “Amin’ny fiandohan’ny tetikasa dia mbola handeha amin’ny solika, gazoala, ny fiarandalamby. Ary fiantsonana 5 amin’ireo […]
Tsiafanoka Toliara II : mitaky ny hanokafana ny Base Toliara ny mponina
Manohana ny fitakiana hanokafana indray ny orinasa Base Toliara ny mponina any Tsiafanoka. Efa hita ny tombontsoa nentiny, ary azo antoka fa hamaha ny olana maro izay miha ratsy, ankehitriny. Mitondra fampandrosoana ho an’ny mponina any Tsiafanoka, distrika Toliara II, ny fisian’ny tetikasa Base Toliara. Nihemotra ary miha mahantra ny […]
Vondrona Filatex : 3 000 ny tokantrano misitraka angovo
Hanampy amin’ny famahana ny olan’ny herinaratra eto an-drenivohitra hatrany amin’ny faritany, tokantrano 3 000 no efa misitraka ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro, araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Lidera Green Power, Tidiani Tall Jeff, tetsy Ankadimbahoaka, omaly. Io orinasa io izay iray amin’ireo mamokatra angovo anatin’ny vondrona Filatex. Mahatratra 8,4 […]
FIDA : manamafy ny fiaraha-miasany amin’i Madagasikara
Mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny firenena malagasy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny fambolena (FIDA), amin’ny ady amin’ny fahantrana any ambanivohitra, ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana maharitra ary ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nanamafy izany ny fihaonan’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ramilison Harifidy sy ny filoha lefitry ny […]




