Toe-karena

UCTS : tsy misondrotra ny saran-dalana

Tsy miray hevitra amin’ny mpitatitra eto an-drenivohitra, UCTU, mikasa ny hampiakatra ny saran-dalana ho 800 Ar ny manodidina ny tanàn-dehibe mivondrona ao anatin’ny UCTS. Tsy mihevitra ny hanondrotra ny saran-dalana velively izy ireo, satria tsy mihetsika ny vidin-tsolika. Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny filohan’ny Fiombonan’ny kaoperativa mpitatitra manodidina ny tanàn-dehibe […]

Fitateran’entana an-dranomasina : manamafy ny fahaiza-manaony ny APMF

Anisan’ny sehatra mampandroso firenena ny toekarena manga sy ny fiarovana ny tontolo an-dranomasina. Ma­natanteraka atrikasa mandritra ny dimy andro, nanomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma izao ny “Agence portuaire maritime et fluvial” (APMF). Atrikasa momba ny aroloza sy ny fomba fikirakirana ny entana entina ambony sambo. Mampidi-doza avokoa ireo karazan’entana […]

« Angovo » sy « Talakibe » : tetikasa hampiasana 366 miliara Ar

Kaominina ambanivohitra sy fokontany 130 misy mponina 175 000 no hisitraka ny tetikasa «Angovo”. Hiompana amin’ny fampidirana herinaratra eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny tetikasa ary hiasa any amin’ny faritra Melaky, Menabe, Androy, Atsimo Andrefana, Anosy. Namatsy vola ho fanatanterahana izany ny «Agence française de développement» (AFD) sy ny Vondrona eoropeanina […]

Misavoritaka ny UCTU : kaoperativa 16 amin’ny 45 ihany no nanapaka ny saran-dalana 800 Ar

Fanapahan-kevitra samirery ny an’ny UCTU hampiakatra ho 800 Ar ny saran-dalan’ny taxi-be amin’ny 1 aogositra. Handray fepetra ny tomponandraiki-panjakana amin’ny tsy fanarahan-dalàna. Modian’ny Fiombonan’ ny kaoperativa mpitatitra an-tanàn-dehibe (UCTU) tsy fantatra ny lalàna. Voalaza anefa fa tsy maintsy mampahafantatra ny rafitra mahefa ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny mpitatitra […]

Tetikasa « Tady » : hotanterahina mandritra ny 4 taona

Tontosa omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Ra­haraham-bahiny, ny lanonana fampahafantarana sy fanombohana ny tetikasa “Tady”. Tanjon’ny tetikasa ny hampandraisana anjara ny diaspora malagasy amin’ny fiainam-pirenena. Ny governemanta frantsay, amin’ny ala­lan’ny « Agence française de développement » (AFD) no ma­matsy vola ny tetikasa. Ha­haritra 4 taona ity tetikasa ity, ary ny andrim-panjakana maro ny hiara-hiasa amin’ny fanatontosana […]