Taorian’ilay haintrano goavana tetsy Behoririka, ny zoma alina teo, tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy ny talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana eto Analamanga, Natolotriniaina Herizo Fanomezantsoa. Naneho ny fahavononana hanampy ireo mpivarotra tra-doza ity tomponandraikitra ity sady nanome toky fa hamoraina ny fanamboarana ny […]
Toe-karena
Vidim-piainana: nihena hatrany amin’ny 8,5% ny taham-piakarana
Miantraika betsaka eo amin’ny toekaren’ny mponina ny vidim-piainana. Tamin’ity volana oktobra ity, nidina ho 8,5% ny taha, araka ny antontanisa navoakan’ny Instat. Nahitana fihenana raha oharina tamin’ny volana avrily teo ny fiakaran’ny vidim-piaianana eto Madagasikara, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Ivontoeram-pirenena misahana ny antotan’isa (INSTAT), Ndremitsara Tarzan. Nilatsaka ho 8,5% […]
« SNISE en ligne »: Teknolojia niomerika amin’ny fitantanan- draharaha
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fitaovana « SNISE en ligne ». Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola, sy ny UNFPA, entina hanavaozana ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Rafitra nasionaly hanombanana ara-informatika ny « SNISE en ligne » eo ambany fiahian’ny fitantanana jeneralin’ny Toekarena sy ny tetibola (DGEP), entina hanaraha-maso sady hanombanana ny fandaharanasan’ny governemanta. […]
ODD : Tsy ho foana ny fahantrana amin’ny 2030
Ankalazaina isaky ny 17 oktobra ny Andro iraisam-pirenena hanafoanana ny fahantrana. Saingy tsy mety foana izany, fa vao maika aza hitombo any amin’ny firenena tena mahantra toa an’i Madagasikara. Araka ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena (BM), ny 22 oktobra 2023 teo, mbola miaina latsaky ny 6,85 dolara, izany hoe 30.000 […]
Fanorenana trano: mafy sady azo ihoriranana ny rindrina vita amin’ny polystyrène
Notaterahina ny sabotsy teo, nandritra ny foara momba ny trano, tetsy Tanjombato ny “crash-test”, fampitahana ny rindrina vita amin’ny biriky sy ny polymur ary ny parpaing. 1mn 4s ny famakiana ny rindrina vita amin’ny biriky, 3mn 40s ny parpaing ary 7mn 47s ny « polymur », izay rindrina vita amin’ny vy sy […]





