Orinasa mitantana seranam-piaramanidina voalohany aty Afrika, nahazo ny loka iraisam-pirenena ACI “Africa Environment and Sustainable Development Awards” ho an’ ny taona 2023. Tanteraka izany vokatry ny asa nataony tamin’ny fiarovana ny tontolo iainana any amin’ny seranam-piaramanidina Nosy Be. Anisan’ny singa sy fepetra takina ahazoana ity loka ity ny lafiny fitsinjovana […]
Toe-karena
Harena an-kibon’ny tany : manaraka akaiky ny japonais
Natao ny 16 oktobra teo ny atrikasa mahakasika ny fanadihadiana amin’ny lafiny tontolo iainana amin’ny fomba niomerika, iarahana amin’ny teknisiana japonais ao anatin’ny Fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana, Jica. Ao anatin’izany ny fitsinjovana ny fikajiana ny tontolo iainana eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Tanjona ny hijerena ny […]
SIH 2023 : hisongadina ny fanorenan-trano mitsinjo ny tontolo iainana
Nisokatra omaly, eny amin’ny Zone Forello Expo Tanjombato, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny trano fonenana (SIH). Hampiavaka amin’ity andiany faha-25 ity ny fitsinjovana ny tontolo iainana. Maherin’ny 120 ny mpandray anjara eny amin’ny SIH 2023, ahitana ireo mpisehatra samihafa amin’ny lafiny fanorenana, indrindra ny trano fonenana, toy ny mpamokatra akora fototra, ny mpamatsy kojakoja, ny orinasa matihanina […]
malagasy mpanakanto : mamiratra atsy La Réunion i Erinia
Tanora mpanakanto, mpihira vao misondrotra, i Erinia, avy any amin’ny faritra Sofia ary monina atsy La Réunion. Na izany aza, efa tena milomano ao amin’ny tontolon’ny mozika. Nambarany fa efa hatry ny fony kely izy no tia nihira sy nandihy. «Efa mpandihy an’i Chila aho, ao anaty horonantsary an-kira telo. […]
Ravinala Airports : nahazo ny loka Rising Star
Azon’ny orinasa Ravinala Airports, ny 17 oktobra 2023 teo, tany Istanbul Torkia, ny loka Rising Star, nandritra ny hetsika “World Routes”. Tanteraka izany vokatry ny ezaka nataon’ny ekipan’ny fitantanana ara-barotra sy ny tsena ao amin’ity orinasa ity, tarihin’ny lehiben’ny departemanta misahana ny asan’ny fifamoivoizana ana habakabaka, tarihin-dRtoa Rakotozafy Tatamo. Nanampy […]





