Nifarana omaly, teny Ivato ny Vovonam-pirenena ho an’ny drafitra nasionaly momba ny fitsinjaram-pahefana miabo (PNDE). Hohafainganina ny fampiharana izany hampandrosoana ny eny ifotony. Nankatoavin’ireo mpizaika niatrika ny vovonam-pirenena ho an’ny drafitra nasionaly momba ny fitsinjaram-pahefana, miabo (PNDE) ny fehin-kevitra ho fampandrosoana ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana. Nambaran’ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin, […]
Toe-karena
Hetsika RSE andiany fahavalo: omena vahana ny famatsiam-bola ho an’ny zava-mananaina
Vonona handray andraikitra ho an’ny tontolo iainana sy amin’ny fiarahamonina. Ireo ny antoka ataon’ny BNI Madagascar. Mandray anjara amin’ity hetsika RSE et des initiatives pour le développement”, andiany fahavalo, atao etsy amin’ny Novotel, androany sy rahampitso, ity orinasa ity. Mampivondrona mpiantsehatra samihafa ny hetsika RSE ka hizara ny fahalalany ireo […]
2002-2022 : nahatratra 995 000 ha ny ala ringana
Nihazakazaka ny fahapotehan’ny ala eto Madagasikara tato anatin’ny 20 taona farany. Mitombo ny entona karbona CO2 aparitany, izay miteraka ny fiovan’ny toetr’andro, Zava-doza ! Araka ny tatitry ny Fikambanana iraisam-pirenena manara-maso ny ala, ny Global forest watch (GFW), nahatratra 16,4 tapitrisa ha ny velaran’ny ala teto Madagasikara, ny taona 2010, manome […]
Madagasikara sy ny UE : nohamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny fampiasana ny volam-panjakana
Natao sonia ny faha-30 jona lasa teo ny fifanarahana eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona eropeanina. Mifantoka amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo ami’ny fampiasana ny volam-panjakana izany. Tanjona ny hametrahana lasitra mikasika ny fitantanana. Hita ao ny fepetra amin’ny fampiasana izany sy ny fifampiraharahana eto amin’ny firenena sy ny mpiara-miombon’antoka. […]
Toliara II : niombom-po ny mponina any Benetsy
Niverina ny fitoniana ! Tanàna nisian’ny fifandirana sy ny korontana foana tany Benetsy, Toliara II, hatramin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany. Niova anefa izany, satria nilamina tanteraka ny fankalazana ny fetim-pirenena, natao ny 27 jona teo. Mahay miara-monina ankehitriny ny foko Masikoro any amin’ny fokontany Benetsy sy ny any Ampototse, na misy aza ny […]




