« Tsy misy atahorana ny tahirim-bary idirantsika anatin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra », hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David. Misy, hoy izy, ny dingana atao mba hahafahana mifehy sy mandrindra ny vidiny, hifampitsinjovan’ireo mpisehatra. Mbola mitohy ny fanarafarana ny vokatra ary mbola mitohy ny ezaka amin’ny fandrindrana […]
Toe-karena
Semaine mondiale de l’entreprenariat (GEW): Tosika ho an’ny fandraharahana
Mbola mila tosika ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ary entanina hirona amin’izany ny tanora sy ny mpianatra. Fotoana iresahana ireo tantsoroka sy tohana ary torolalana tokony hodiavina ny Herinandro maneran-tany ho an’ny fandraharahana (Gew) Tanterahana ny 18 ka hatramin’ny 23 novambra ny Herinandro maneran-tany ho an’ny fandraharahana (Gew). Lohahevitra amin’ity […]
Fitantanana mangarahara : manampy amin’ny fanangonana antontanisa ny AMP
Andry iankinan’ny fanjakana tsara tantana sy ny mangarahara ny fampiasam-bola ny fampiasana ny Aid Managment Platform (AMP). Fitaovana iray ahafahana manangona ireo antontanisa mahakasika ny fanampiana rehetra ho an’ny fampandrosoana eo amin’ny fanjakana na «Aide publique au développement» (APD). Tanjona ny hisian’ny mangarahara amin’ny fampidirana ireo antontanisa eo anivon’ny minisitera sy […]
VAOVAO TAMBATRA
Apetraka eny Ambatomirahavavy, Ampangabe ary Ambohidrano ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro. Manana tanjaka 50 MW ny fotodrafitrasa izay natao hanampiana ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ny 20 MW. Hotsinjaraina 5 MW avy ireo renivohi-paritany sy ao Nosy Be. Efa andalam-pitaterana ireo fitaovana hananganana ireo fotodrafitrasa ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana. […]
Tetikasa Itovia : tohana ho an’ny vehivavy
Tontosa ny alarobia teo, teny Antaninarenina, ny fifanoavan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) sy ny Agence française de développement (AFD) ao anatin’ny tetikasa «Itovia». Tanjona ny hampirisihina ny fandraharahan’ny vehivavy sy fandraisany anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Mitentina 1,52 tapitrisa euros ny famatsiam-bola ampiasan’ny tetikasa hanohanana […]