Hiavaka! Mikarakara ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifaka (Mesupres). Nambaran’ny Talen’ny fanantanjahantena sy ny kolotsaina ao aminy, ny Dr Souleman, fa andiany voalohany ity hotontosaina ity, ary iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka maro samihafa, toy ny Fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny […]
Toe-karena
Famatsiam-bola iraisam-pirenena : 2 miliara dolara tsy nampiasaina
Mavesatra loatra ny fikarakaran’ny fanjakana ny antontan-taratasy mahatonga ny vola avy amin’ny Vondrona iraisam-pirenena tsy nampiasaina ara-potoana. Mila havaozina ny fomba fiasa, raha ny fanazavan’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Nitatitra ny fihaonany tamin’ny Banky iraisam-pirenena (BM) sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) tany Etazonia farany teo, omaly, ny minisitry […]
VAOVAO TAMBATRA
Tonga tao Toamasina, ny talata 5 mey teo, ny sambo Torm Elise, mitatitra solika. Mitotaly 64 500 taonina ny solika entiny, ahitana lasantsy, gazoala ary solitany fandrehitra. Omaly maraina no namonjy ny toeram-piantsonana izy, satria mbola nisy ny fampidinana ny solika mavesatra nentin’ny sambo Sea Treasure, teo alohany, omaly tolakandro. Vinavinaina […]
Toby Amoronakona : Tsy hisy ny kolikoly amin’ny fahazoana tranoheva
Hisokatra mialoha ny 26 jona ho avy izao ny toby fiantsonan’ny taksiborosy eny Amoronakona. Tonga teny an-toerana ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Andrianavalona Herizo, ny alarobia teo. Ny zotra mampiasa ny lalam-pirenena faha-2 sy ny RN7 no hapetraka eny. Miisa 110 ny tranoheva « box » ho an’ny […]
Centre de Formation Huawei : Hamoaka manam- pahaizana
Notokanana teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny alakamisy teo, ny Centre de formation Huawei. Ivontoerana ahafahan’ireo mpianatra mampihatra avy hatrany ny fianarana sy fiofanana arahiny. “Hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra eo amin’ny sehatry ny télécommunication ny fitaovana ampiasaina”, hoy ny talen’ny sekoly ambony Politeknika Antananarivo, ny Pr Rakotomalala Mamy Alain. Tombony ho an’i […]




