Miroso ny dingana hanombohana ny asa fananganana ny Fly Overs Anosizato. Harindra ny tetikasa ka jerena manokana ny lafiny sosialy sy ara-tontolo iainana. Tsy hikatona ny RN1 mandritra ny asa hatao. Harindra ny fivezivezen’ny fiara. Hosokafana ny lalam-piviliana mba hampihenana ny fahasahiranan’ireo mpampiasa lalàna. Nivoitra tao anatin’izay ny fanonerana ho […]
Toe-karena
Antsiranana : Angovo karazany 3 ampiasain’ny Enelec
Fiovana lehibe. Dingana vaovao no tanterahin’ny orinasa Enelec any Antsiranana, amin’ny alalan’ny Chelsea Energie, hanatsarana ny famatsiana herinaratra. Voalohany, ny fametrahana milina mamokatra herinaratra, marika Wartsila, 12V32, mandeha amin’ny solika HFO, manana tanjaka 4 MW, fanampiny. Efa tonga eto Madagasikara ity milina ity, ary efa eo am-pametahana. Faharoa, ho vita […]
Fambolena : Hapetraka ny fotodrafitrasa niomerika
Nampahafantarina ny 29 sy 30 jona teo ny tetikasa hametrahana ny fotodrafitrasa niomerika iombonana ho an’ny fambolena (IPNA). Tanjona ny hampiasana ny teknolojia niomerika amin’ny fitantanana ny antontam-baovao mahakasika ny fambolena sy ny fomba famokarana. Fotodrafitrasa ahitana ny rejisitry ny mpamokatra sy ny rafitra fanaraha-maso ny vidim-bokatra. Eo koa ny […]
Faritra Menabe: 2 000 Ar ny kilaon’ny voanjo eny amin’ny mpamokatra
Tafapetraka ny paikady hanarenana ny seha-pihariana voanjo sy hiantohana ny tombontsoan’ny tantsaha. Rafitra natao hanampiana ireo mpisehatra sy hanohanana ny toekaren’ny faritra. Miroborobo. Velom-panantenana ireo mpisehatra eo amin’ny lalam-pihariana voanjo ao amin’ny Faritra Menabe. Tapaka taorian’ny fikaonandoha ataon’ny fanjakana sy ireo mpisehatra samihafa fa 2 000 Ar ny kilao handraisana […]
VAOVAO TAMBATRA
Haharitra herinandro ny fikojakojana ny milina DG2 ao amin’ny Afripower Mandroseza. Tara roa taona ny fikojakojana ara-teknika, ka antony hanatanterahana izany amin’izao fotoana. Tanjona ny hiantohana ny fitaovam-pamokarana, indrindra mandritra ny vanim-potoan’ny haintany. Marihina fa mahatratra 40MW ny herinaratra azo avy amin’ny tobim-pamokarana herinaratra avy ao Mandroseza. Handefa milina mpamokatra […]





