Toe-karena

Foire Internationale de Madagascar: Taratry ny toekarena malagasy

Ambohipihaonan’ireo mpisehatra ara-toekarena eto Madagasikara sy avy any ivelany ny Tsenabe iraisam-pirenena (FIM). Fotoana ahafahan’ireo mpandraharaha sy ireo matihanina samihafa mifanakalo hevitra sy traikefa hampandrosoana ny toekarena. Nanomboka omaly ka hatramin’ny alahady ny Tsenabe iraisam-pirenena eto Madagasikara « Foire internationale de Madagascar » (Fim) andiany faha-27. Hetsika karakarain’ny Madavision, eny amin’ny CCI […]

VAOVAO TAMBATRA

Tazomina ho 12% ny tahan’ny zanabola fototra (taux directeur), araka ny tapaky ny komity politika ara-bola eo anivon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Tanjona ny hampihena ho 5% ny vidim-piainana manoloana ny zava-misy maneran-tany. Efa nihena ny vidim-piainana teto amintsika tamin’ny fiandohan’ny taona 2026, saingy niakatra ho 6,1% ny volana janoary […]

Minisiteran’ny Jono: Mizarazara ny hevitry ny mpiasa

Sekretera jeneraly tokana voatendry, tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, Ravelo­manantsoa Be-Rija. Hisahana izany andraikitra izany eo anivon’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Efa talem- paritra indroa miantaona, niandraikitra ity seha-pihariana ity izy. Niasa tany amin’ny faritra Analanjirofo, tamin’ny fotoam-pitondran’ny Filoha Rajaonari­mam­pianina Hery. Mialoha ny fanendrena azy ho laharana faharoa, […]

Antenimierampirenena : Ho maro ny fanitsiana amin’ny tetibola-PLFR

Araka ny efa fantatra, mivory ara-potoana ny eny amin’ny Antenimierampirenena, amin’izao fotoana. Fotoana, voalohany, handaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panovana (PLFR 2026). Hanitsiana sy handaniana ireo tolo-dalàna sy volavolan-dalàna ary hanoloran’ny governemanta ny tatitra mahakasika ny fanatanterahana ny fandaharanasany ihany koa. Hitondran’ny minisitera tsirairay avy fanazavana amin’ireo fanontaniana hapetraky […]

Famokarana : Ambany ny fanarahantsika ny fenitry ny fanondrana

Sakana tsy hahafahana mivelatra sy manitatra ny tsenam-panondranana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tsy fanarahana ny fenitra ara-pahasalamana “Norme sanitaire et phytosanitaires” (SPS) eo amin’ny vokatra aondrana. Voakasika izany ny vo­katry ny fambolena (la­vanila, jirofo, cacao) sy an-dranomasina eto Mada­ga­si­kara. Nivoitra izany nandritra ny atrikasa natao teny amin’ny Sekoly ambony […]