Anisan’ny mampihitsoka ny fandrosoana eto Madagasikara ny fahapotehan’ny lalam- pirenena. Afakomaly, kamiobe mpitatra entana nihitsoka teo amin’ny tetezana, lalam- pirenena fahadimy tapany voalohany. Potika ny lalam-pirenena fahadimy tapany voalohany, mampifandray an’i Toamasina sy Ambatohasina, mialoha ny hidirana an’Antaratasy, Pk 35. Fiarabe mpitatitra entam-barotra iray no nihitsoka teo amin’ny tetezam-by nandritra […]
Toe-karena
Ambatomasina-Maroantsetra : nahazo birao ny sampandraharahan’ny jono
Notokanana ny sabotsy teo ny biraon’ny sampandraharahan’ny jono sy ny toekarena manga ao Maroantsetra. Tonga nanolotra izany tany an-toerana ny filoham-pirenena Rajoelina Andry mivady sy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Tsimanaoraty Mahatante Paubert niaraka tamin’ireo mpikamban’ny governemanta maro. Natolotra nandritra izay ihany koa ny sambo haingam-pandeha Argos 710 « Antendromaso […]
Delestazy : hiverina amin’ny laoniny ny herinaratra amin’ny zoma
Fahataran’ny famatsiana solika mavesatra noho ny tsy fahatomombanan’ny sambo mpitatitra. Fihenan’ny tohodrano hatramin’ny 30%, izay mampanano sarotra ny famokarana herinaratra avy amin’ny rian-drano. Ireo no nambaran’ny tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny Jirama, Rabarison Hery Tiana, fa antony mahatonga ny fahatapahan-jiro amin’izao. Notohizany fa miantoka ny ampahany betsaka amin’ny filàna herinaratra eto […]
Ady amin’ny jono tsy ara-dalàna : manome tohana ny governemanta amerikanina
Mamolavola paikady sy politika hoentina miady amin’ny jono tsy ara-dalàna sy tsy voambara ary tsy voafehin’ny lalàna i Etazonia, miaraka amin’ireo Nosy aty amin’ny faritra andrefan’ny ranomasimbe Indianina. Misy ny fivoriana mandritra ny hatelona hanatanterahana izany. Manantitra ny fahavononany i Etazonia hiady amin’ny jono tsy ara-dalàna aty amin’ireo firenena amin’ny faritra andrefan’ny ranomasimbe […]
BM : tsy hahafoana ny fahantrana ny fako plastika
Mitobaka ny fako plastika eto amintsika, na an-tanàn-dehibe na eny amoron-dranomasina. Maro ny biby maty vokatry ny fihinanana azy ireny. Namoaka fanambarana ny Banky Iraisam-pirenena (BM), ny 2 jona teo, fa tsy ho foana mihitsy ny fahantrana aty amin’ny tany andalam-pandrosoana raha mbola misy ny fako plastika. Notateriny fa efa […]




