Fampiasana angovo maitso ! Manomboka tonga eto Madagasikara ny fiarakodia mitsinjo ny tontolo iainana, mandeha amin’ny herinaratra. Anisan’ny orinasa mpaninjara manana izany karazana fiara izany ny CT Motors, izay misy ny antsoina hoe « hybride », mandeha amin’ny solika sy herinaratra, toy ny marika Haval H6 HEV. Misy koa ny fiara tena mandeha amin’ny […]
Toe-karena
Fanarenana ny ala sy ny tontolo iainana (RPF): hanarina 4 tapitrisa ha hatramin’ny taona 2030
Tsy ny fambolen-kazo ihany no famerenana maitso ny tontolo, fa misy koa ny fanarenana ny tontolo iainana sy ny ala (RPF). Ao anatin’izany ny fanajariana hametrahana tontolo mirindra, ho an’ny fambolena, ny fiompiana, ny rano, sns. Mifototra amin’ity paikady RPF ity ny tetikasa Forests for Future, tohanan’ny fandaharanasa ho an’ny […]
Axian- Campus 42: sekoly informatika maimaimpoana
Misokatra eny amin’ny oniversite Axian, eny amin’ny Galaxy Andraharo, ny toeram-piofanana campus 42 Antananarivo. Fampianarana sy fampiofanana maimaimpoana mikasika ny informatika sy ny niomerika. Firenena fahefatra manana ity toeram-piofanana ity, aty Afrika i Madagasikara. Nilaza ny talen’ny fampianarana 42 any Paris Frantsa, Olivier Crouzet fa tsy ampy betsaka ny olona […]
Airtel – «10.000 codeurs»: fampianarana informatika
Natao sonia, ny zoma 2 jona teo, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Airtel Madagasikara sy ny fikambanana «10.000 codeurs». Mifantoka amin’ny fanofanana informatika maimaimpoana ny tanora malagasy ny fifanarahana. Tafapetraka ny tetikasa taorian’ny fihaonambe faha-12 ny fiovana mankany amin’ny niomerika aty Afrika (ATDA). Nilaza ny tale jeneraly lefitry ny Airtel Madagasikara, […]
Angovo mandeha amin’ny herin’ny masoandro: manomboka amin’ny 10.000Ar ny kit anti-delestage
Miroborobo ny varotra an’ireo kit anti-delestage hatramin’ny niandohan’ny fahatapahan-jiro lavareny. Misy fotoana tsy maharaka ny entan’ireo mpivarotra. Anisan’ny tsena nahazo vahana tao anatin’ny andro vitsy ny varotra ireo karazana kit anti-delestage enti-miatrika ny fahatapahan-jiro isan’andro. Miroborobo fatratra ny tsena. Manomboka amin’ny 10.000Ar ka hatramin’ny 300.000Ar ny vidin’ny kojakoja mandeha amin’ny […]




