Mihena ny famatsian-drano amin’ny faritra maromaro eto Antananarivo satria simba ny ampahany amin’ny milina eny Mandroseza. Misy ny vahaolana vonjy maika raisin’ny Jirama, mandra-pahasolo ny milina izay tsy maintsy hafarana any ivelany. Misy fahasimbana ny paompy eny amin’ny toby famokarana rano eny Mandroseza. Araka ny fanomezam-baovao avy amin’ ny Jirama, […]
Toe-karena
“Mada business Linkage.mg” : mampivoatra ny sehatry ny toekarena eto Madagasikara
Nampahafantarina sy natomboka omaly, tetsy Ankorondrano, ny tambajotra “Mada business Linkage.mg”. Natokana ho an’ireo orinasa mpandraharaha manara-dalàna rehetra manerana an’i Madagasikara. Tanjona ny hampahafantarana ireo orinasa bebe kokoa sy ahafahan’izy ireo mifandray, miara-miasa ary mahita lalam-barotra. “Vitsy ireo orinasa mifankafantatra eto amin’ny Nosy ka antony nananganana ny tambajotra”, hoy ny […]
Toamasina : foara ngeza indrindra ny « Toam Ketrika »
Hotanterahina eto Toamasina, ny 28, 29 ary ny 30 septambra ho avy izao, ny tsenabe “Toam Ketrika”. Foara ara-toekarena sy ara-barotra andiany fahefatra, atao etsy amin’ny Araben’ny Fahaleovantena, karakarain’ny orinasa La Fabrique sy ny fikambanana ONG St-Gabriel. Manohana ny hetsika ny orinasa Ambatovy, ny Spat, ny faritra Atsinanana ary ny […]
Tetikasa G3D : vita ny fanadihadiana siantifika ny hazo sarobidy
Voasokajy ho hazo sarobidy mitondra ny anarana siantifika « Dalbergia » ny voamboana sy ny andramena. Sokajiana ho « Diospyros » kosa ny volombodimpona na misy milaza koa hoe hazomanga (bois d’ébène). Vita ankehitriny ny fanadihadiana lalina ara-tsiantifika mikasika azy ireo, tamin’ny alalan’ny tetikasa “Fitantanana maharitra ny Dalbergia sy ny Diospyros (G3D)”, novatsian’ny Vondrona […]
Anosibe hatrany Ambodimita : milanja 115 000 t ny fotaka hoesorina ao amin’ny lakandrano C3
Hanomboka tsy ho ela ny tena asa goavana fanadiovana ny lakandrano C3. Miainga eny Anosibe , mipaka hatrany Ambodimita, mirefy 12 km. Ao anatin’ny tetikasa “Produir” ity asa ity, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena ara-bola, tanterahin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany (MATSF), entina hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina marefo eny amin’ny […]





