Voatery miverina ny delestazy satria tsy ampy ny herinaratra vokarin’ny tohodrano. Anisan’ny vahaolana ataon’ny fanjakana ny fampitomboana ny famokarana herinaratra avy amin’ny solika, gazoala. Miditra amin’ny vanim-potoana maintany isika. Nohazavain’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Andriamanampisoa Solo, ny talata 12 septambra teo, fa mihena ny haavon’ny renirano mamatsy […]
Toe-karena
Alaotra Mangoro : tantsaha 3 000 nisitraka hanam-pamokarana
Nizara hanam-pamokarana, masomboly voly avotra sy zezika hiatrehana ny taom-pambolena manaraka ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny sabotsy teo. Manodidina ny 3 000 ireo tantsaha nisitraka izany. Betsaka ny voka-bary simba taorian’ny filatsahan’ny havandra ny faran’ny volana jona teo. Lasibatra tamin’izay ny tao amin’ny […]
Onitra tsy voaloa: hatao lavanty ilay kamiao
Niroso tamin’ny fanagiazana ny kamiao, fananan’ny mpandraharaha iray any Antsinanangavo, Soanierana Ivongo ny vadintany, ny 8 aogositra teo. Antony, tsy notanterahiny ny didim-pitsarana mandidy azy handoa onitra mitotaly 76 tapitrisa Ar ho an’ny olona, tompona haino aman-jery tsy miankina iray any an-toerana. Toy izao ny fitsinjaran’io vola io. Onitra amin’ny […]
Herinaratra : tratra ny tanjona, mamokatra 400 MW fanampiny ny Jirama
Namoaka ny tatitra sy ny antsipiriany mikasika ny herinaratry ny Jirama ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, omaly. Tratra ny fanambin’ny fanjakana nampitomboina avo roa heny ny famokarana, izany hoe 400 MW fanampiny. Manodidina ny 400 MW ny vokatra herinaratra eto Madagasikara. An’ny Jirama ny 396 MW ary avy […]
“Foara Voatse” Ambovombe: hisongadina ny vokatra any Androy
Hatao ny 4, ny 5, ny 6 ary ny 7 oktobra 2023 ho avy izao ny tsenabem-paritra “Foara Voatse” any Ambovombe Androy. Nilaza ny governoran’ny faritra Androy, Soja Lahimaro Tsimandilatse, fa hampisongadinana ny vokatra any amin’iny faritra iny ity tsenabe ity. Toy ny fambolena (katsaka, voanjo,…), ny omby sy ny ondry aman’osy, […]





