Notanterahina omaly, teny Ankorondrano, ny fampahafantarana ny taranja «Droit de l’environnement», eo anivon’ ny ivon-toerana, fampianarana ho mpitsara. Fandaharam-pianarana vaovao, natao ho an’ ireo mpianatra. Araka ny fanazavana voaray, misy lafin-javatra telo izany, anisan’ireny ny ady amin’ny kolikoly, ny fanoherana ny famotsiam-bola, ary ny ady amin’ny fanondranana ny biby sy […]
Toe-karena
FAHA-60 TAONA Fimpima : nankalazaina tany Eoropa
Notontosaina tany Eoropa nandritra ny iray volana sy tapany ny fankalazana ny faha-60 taona ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fimpima). Toerana dimy no nanatanterahana izany, Frantsa, Benelux, Norvezy, Alemana ary Soisa. Nisy hatrany ny fampitana fanilo, ny famoahana mpianatra kabary, ny fandraisana mpikambana, ny fanasalorana lamba ary ny seho kanto hanandratana […]
Raphaël Jakoba : laharam-pahamehana ny fisarihana ny mpampiasa vola
Manampahaizana iraisam-pirenena mikasika ny lalàna i Raphaël Jacoba. Anisan’ny nandrafitra ny lalàna ho an’ny fampiasam-bola aty Madagasikara, ny mifehy ny fifanakalozam-bola, ny faritra toekarena manokana (ZES), sns. Manodidina ny 1,5 miliara dolara ny fampiasam-bola ilaina eto amintsika, araka ny antontan’isa navoakan’ny Fiombonan’ny mpahay toekarena eto Madagasikara (Crem). Ho an’i Raphaël […]
Fihariana : mbola ambany ny fanjifana ronono
Anisan’ny sakafo mitondra otrikaina maro isan-karazany ny ronono. Mbola ambany anefa ny tahan’ny fanjifana izany eto Madagasikara. “Manodidina ny 16 litatra isan’olona, isan-taona izany, raha 40 litatra isan-taona, isan’ olona ho an’i Afrika ary 200 litatra isan’olona, isan-taona ny any Eoropa”, hoy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Nankalazaina ny […]
Fahatapahan-jiro lavareny : tsy ampy ny tahirin-tsolika mavesatra ao amin’ny Jirama
Miteraka fimenomenonan’ny olona ny delestazy lavareny ataon’ny Jirama. Simba ny asa rehetra mila herinaratra, indrindra ny fidiram-bolan’ny mpanjifa. Ora vitsy anatin’ny andro iray sisa no mahazo herinaratra ny mpanjifa. Tsy nisy kosa ny fahatapahan’ny herinaratra nandritra ny faran’ny herinandro sy ny fetin’ny Pantekoty lasa teo. Ankehitriny, miverina ny delestazy, mihamafy […]




