Tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa. Maimaimpoana ny fandefasan’ny olon-tsotra vola avy any amin’ny banky mankany amin’ny kaonty MVola, nanomboka ny 1 jona 2023 teo. Etsy ankilany, nahena ho 1%-n’ny vola alefan’ny mpanjifa tsotra avy any amin’ny kaonty MVola mankany amin’ny kaonty banky, raha 2,5% no nalaina tany aloha. Ankoatra ireo, mahazo fihenana hatrany […]
Toe-karena
Jica-MTP : fikojakojana ny lalana sy ny tetezana
Natao, omaly, ny atrikasa hanamafisana ny fahaiza-mitantana amin’ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana eto Madagasikara. Manohana azy ny Fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana japoney (Jica). Nisolo tena ny minisitera, ny sekretera jeneraly (SG) ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), Sambisolo Emile Joseph, ary ny avy amin’ny Jica, ny solontena maharitra eto […]
Zotran-dalamby « train voyageur »: niverina nanomboka omaly ny Dia tsara
Nisokatra nanomboka omaly ny zotran-dalamby mpitatitra olona miainga ao Moramanga mihazo an’i Toamasina. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny Fitaterana sy famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valéry, niaraka tamin’ny Governoran’ny faritra Alaotra Mangoro, ny Governoran’ny faritra Atsinanana ary ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny. Mandalo kaominina 22 ny Dia tsara, indrindra any amin’ireo toerana […]
50 taona BFM : hatonta any Torkia ny vola volamena 50 Ar
Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, ny 31 mey teo, fa hatonta any Turquie ny vola madinika 50 Ar hatao volamena. Voalaza fa “famoaham-bola vonjimaika ihany ity fepetra ity, fa haverina eto Madagasikara ny volamena rehefa vita ny fanontana azy », izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taona ny Banky […]
Tontolo ambanivohitra: hampiasaina amin’ny fambolena ny teknolojia niomerika
Mbola olana eny ifotony ny fahazoan-kevitra sy torolalana amin’ny sehatry ny famokarana isan-tsokajiny eny ambanivohitra, satria tsy ampy ny olona mpanapariaka azy any amin’ny tantsaha. Anisan’ny vahaolana ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Fanoitra ho an’ny fampandrasoana ny sehatry ny famokarana eto amintsika ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra, na ny […]




