Lany nasiam-panitsiana teny amin’ny Antenimierandoholona, ny zoma 19 mey teo, ny volavolan-dalàna manavao ny mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Miisa dimy ireo andinin-dalàna ireo, ka anisan’izany ny fitsinjarana ny tamberim-bidy. Anisan’ny nahitsin’ny loholona ny andininy faha-31, mikasika ny fanomezan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany. Afaka manome fahazoan-dalana ny filankevitry ny minisitra, […]
Toe-karena
Imianta : fampandrosoana ny terak’Imady
Niorina ny taona 1991 ny Fikambanan’ny terak’Imady monina eto Antananarivo (Imianta). Tanjona ny hiroboroboan’ny mpikambana sy hisian’ny firaisankina ho an’ireo mila ravinahitra sy monina eto an-dRenivohitra. Manodidina ny 4.000 ny mpikambana amin’izao fotoana izao. Ahitana mpandraharaha ara-toekarena, indrindra ny sehatry ny varotra, ny trano fiantranoana. Misy koa ny manana andraikitra […]
Mampifandray kaominina: vita ny lalana mampitohy an’Ambalatenina sy Ampisokina
Nahavaky lalam-baovao, lalan-tany 22 km mampifandray ny fokontanin’Ambalatenina avaratra sy ny renivohitry ny kaominina Andodabe tonga hatrany amin’ny kaominina Ampisokina, distrika Toamasina II ny fitondram-panjakana. Natao izao mba hampifandraisana ny faritra sy hanamorana ny fampandrosoana ary ny famoaham-bokatra any an-toerana. Tombontsoa ho an’ny mponina ity fotodrafitrasa vaovao ity noho izy […]
Hetsika ATDA : nampiseho ny fahaizany ireo start up 12
Sehatra iray nentin’ireo mpandraharaha 12 isa mahazo tosika avy amin’ny NextA ny hetsika fikaonandoha momba ny fanovana sy ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajimirindra eto Afrika « Assises de la Transformation digitale en Afrique » (ATDA) andiany faha-12, ny zoma sy sabotsy teo, tetsy amin’ny Novotel. Samy nampiseho ny fahaiza-manaony eo amin’ny sehatry […]
Herinaratra : miverina ny fahatapahan-jiro lavareny
Mahery vaika indray ny fahatapahan-jiro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Maro ireo zavatra simba, mimenomenona ny ankamaroan’ny mponina. Vao iray volana izay, nisedra delestazy navaivay ny faritra maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Ankehitriny, miverina sahady ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny. Velon-taraina tanteraka ny mponina amin’ny afitsoky delestazy. Potika ny fihariana […]




