Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny rafitry ny firenena mikambana eto Madagasikara. Manamafy izany ny drafitra vaovao momban’ny fampandrosoana lovainjafy na ny « UNSDCF 2024-2028 » izay natao sonia, tetsy amin’ny Carlton, omaly. Nisolo tena ny fanjakana malagasy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo […]
Toe-karena
Hotely mandray delegasion’ny lalaon’ny Nosy : voaloa ny 70%-n’ny volan’ny mpiara-miasa
Voaefa manontolo ny 70%, volan’ireo trano fandraisam-bahiny mampiantrano ny delegasiona sy ny mpandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy. Miandry ny fotoana handoavana sy handraisana izany kosa ireo 30% hafa. Manome aina ny sehatry ny toekarena malagasy, indrindra mampidi-bola ho an’ny trano fandraisam-bahiny sy ny fizahantany ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy eto […]
Lafo noho ny eto an-toerana : tafakatra 2 900 Ar ny kilaon’ny vary « stock »
Mipaka any amin’ny vidim-bary ny krizy iraisam-pirenena. Tafakatra 2 900 Ar ny kilaon’ny vary afarana avy any ivelany (riz de luxe stock) eny amin’ny mpaninjara, nanomboka ny volana aogositra teo. Manodidina ny 2 400 Ar anefa ny vidiny, araka ny antontanisa navoakan’ny masoivoho mpanara-maso ny vary (ODR), ny volana mey […]
Fiompiana trondro : harindra amin’ny haitao ara-kajy mirindra
Hiara-hiasa ny fanjakana malagasy sy ny governemanta Indoniezianina amin’ny fampiroboroboana ny fiompiana anaty rano. Misy ny tetikasa “WaterHub” sy ny “Jala” nifaovan’ny fanjakana roa tonta sonia, tetsy Ivandry, nandritra ny fivoriana faha-8n’ireo tomponandraikitra ambony mivondrona ao anatin’ny AIS FORUM, omaly. Fitaovana fitsinjarana rano fisotro madio eny amin’ny toerana natokana ho […]
Fanjifana : mihaliana amin’ny taozavatra ny Malagasy
Fotoana maha maro ny mpizahatany ny fialantsasatra lehibe toy izao. Nambaran’i Mbintantsoa, mpitondra tenin’ny Fikambanan’ny Art Malagasy Miray (AMM) etsy amin’ny tsena Pochard, fa niavaka ny tamin’ity taona 2023 ity, taorian’ny krizy Covid ny taona 2020 hatramin’ny 2022 teo. Nisy fivoarana ny mpanjifa, satria manomboka liana amin’ny zava-bita malagasy isika. […]





