Manan-karena ambanin’ny tany i Madagasikara, afaka mitondra fampandrosoana. Hisy tetikasa roa lehibe hanomboka amin’ny taona 2025. Hiavaka ny taona 2025 ho an’ny tontolo ara-toekarena eto Madagasikara. Hisy tetikasa roa lehibe momba ny fitrandrahana vaventy ny harena an-kibon’ny tany hihodina, araka ny ao anatin’ny Fandaharanasam-panjakana hotanterahina (PMO), voafaritry ny Politikam-panjakana ankapobeny […]
Toe-karena
« Food Ingredients Europe (FIE) » 2024 : hampiranty ireo vokatra bio i Madagasikara
Hilahatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mandritra ny hetsika “Food Ingredients Europe (FIE)” atao any Francfort Alemaina, ny 19-21 novambra, ny vokatry biolojika malagasy. Hisolo tena an’i Madagasikara ireo delegasiona sy mpikambana avy amin’ny Sendika malagasy momba ny fambolena biolojika (Symabio). Ahafahantsika mivondrona sy mampiroborobo ny fambolena biolojika eto an-toerana sy […]
VAOVAO TAMBATRA
Diso ny filazana fa hiakatra ny tahan’ny hetra alaina amin’ny karama sy ny vola miditra amin’izany (IRSA) ho an’ny taona 2025. Nanolo-kevitra ny ampiakatra ny taha ho 25% ho an’ireo manana karama ambony, ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ny volana jolay teo saingy tsy nampihatra izany ny fitondram-panjakana Mpizahatany miisa 170 […]
Akora efa niasa : 30 niofana omba ny asa tanana maitso
Ao anatin’ny fandaharanasa Passat 4 ny fiaraha-miasan’ny ONG Welthungerhilfe (WHH) sy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA), vatsian’ny MBZ ara-bola. Ao anatin’izany ny fanofanana ho mpampiofana miisa 30 mianadahy avy eto amin’ny faritra Analamanga, Atsimo Andrefana ary Atsinanana. Avo lenta ny fiofanana, nandritra ny 4 andro, nanomboka ny […]
Telma-Smmec : fanapariahana ny vokatra M’Balik
Miaro ny tontolo iainana ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Izay no nahatonga ny fiaraha-miasan’ny orinasa Telma sy ny sampandraharaha ara-bola madinika na Microfinance Smmec, hanaparitaka ny vokatra kojakoja angovo M’Balik ho an’ny daholobe. Mampiavaka ity fiaraha-miombon’antoka ity ny hanitarana ny fe-potoana handoavana tsikelikely ny saran’ny kojakoja ho 2 taona […]