Mahatratra 160 taona ny fiaraha-miasa ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Etazonia, ankehitriny. Fifandraisana maharitra niteraka tombontsoa mivantana ara-toekarena ho antsika. Misokatra ho an’ny Malagasy mpandraharaha ny tsena amerikanina ka manome sehatra vaovao ho an’ny fanondranana vokatra sy ny fampiroboroboana ny famokarana. Mahazo tombontsoa manokana amin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ireo vokatra […]
Toe-karena
Fampandrosoana : Famatsiam-bola 57 tapitrisa euros avy amin’i Frantsa
Fanaovan-tsonia telo sosona no nataon’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, sy ny talen’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), omaly. Famatsiam-bola mitotaly 57 tapitrisa euros, mitsinjara sehatra telo. Voalohany, fanampiana ny tetibola mitentina 4 tapitrisa euros, ho an’ny tetikasa mifantoka amin’ny fahasalamana, ny […]
Foara Fibre Yas : Tolotra internet maimaimpoana
Notontosaina tetsy amin’ny zaridaina Antaninarenina, ny 18 sy 19 jona teo, ny andiany voalohany, amin’ny Foaran’ny Fibre Yas. Fotoana nifandraisana mivantana amin’ny mpanjifa, nanentanana sy nampahafantarana azy ireo ny lanjan’ny internet amin’izao fotoana izao. Nampiavaka ny hetsika ny fahazoana internet maimaimpoana mandritra ny 2 volana ho an’izay hanao famandrihana voalohany. […]
Fivoaran’ny teknolojia : Asa hatramin’ny 40% no very
Mihazakazaka ny Fivoaran’ny teknolojia. Manova tanteraka ny toekarena ny niomerika ka lasa fanoitra amin’ny fampivoarana sy famoronana. Miantoka ny fifaninanana eo amin’ny tsena ny fampiasana ny Faharanitan-tsaina Artifisialy (IA). Manampy amin’ny famoronana asa sy ny hitrandrahana ny tsena izy saingy sakana ho an’ny fitadiavan’asa ho an’ny tanora. Nivoitra izany nandritra […]
VAOVAO TAMBATRA
Maro ny fotodrafitrasa vita ao anatin’ny tetikasa “Picas 1”, any amin’ny Faritra Anôsy, tohanan’ny Bad, toy ny tsena, ny magazay mpiara-miombon’antoka, ny EPP sy CEG any Agnarafaly. Eo am-panatanterahana ny tobin’ny zandarimaria sy ny CSB. Hisy koa ny fanorenana trano fonenana, tany hambolena ary fanohanana ny fiompiana ho an’ny tokantrano […]





