Nifampidinika tamin’ny tomponandraikitra mitantana ny tetikasa “Volobe 2” ny minisitry ny Asa vaventy, Rafefimanana Sambilason Richard, ny alarobia 29 avrily teo. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fanehoan’ny fitondram-panjakana ny fahavononany hanohana ny tetikasa “Volobe 2”. Noresahina ny fanokafana voalohany ny fidirana mankany amin’ny tetikasa, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani farany teo. […]
Toe-karena
Ambatovy : Tompon’ny petra-bola vaovao ny Amri sy Komir
Dingana lehibe ho an’Ambatovy ny fanovana ny tompon’ny petra-bolan’ny orinasa. Ankehitriny, lasa ny Ambatovy mineral resources investment holding company (Amri) sy ny Komir indray no tompon’ny petra-bolan’ny orinasa, taorian’ny namarotan’ny Sumitomo Corporation ny anjarany manontolo. Ity farany izay nandray anjara tamin’ny fampandrosoana ny famokarana ny nikela sy kobalta tao Ambatovy […]
« Speed recruiting » an’i Yas : Tanora an-jatony mirohotra mitady asa
Filaharana lavabe no hita tetsy Andraharo, ny alakamisy 30 avrily. Tanora sy olon-dehibe an-jatony no tonga nitady asa tao amin’ny hetsika “speed recruiting” nokarakarain’i Yas Madagascar. Natao tao amin’ny Birdy, Galaxy Golf Andraharo, ny hetsika. Nanomboka ny maraina ka hatramin’ny tolakandro, maherin’ny 500 ireo mpitady asa tonga. Maherin’ny 400 tamin’izy […]
VAOVAO TAMBATRA
Manana valatahaka ahitana fambolena sy fiompiana, ny Sekolim-pirenena ho manamboninahitra lefitra (ENSOA) Antsirabe. Teknika tsotra, mora ampiasaina ary tena mahomby sady azo ampiharina na aiza na aiza no atao. Santionany ny fanodinana ny tain’omby be ronono ho lasa angovo biogazy, ka hihena hatramin’ny 60% ny kitay andrahoana ny sakafon’ny miaramila […]
Banky iraisam-pirenena : 200 tapitrisa dolara hanarenana ny fitaterana
Mitentina 200 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola omen’ny Banky iraisam-pirenena hanarenana ny fotodrafitrasam-pitaterana eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fanarenana ny lalamby mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, mirefy 371 km. Ny fanamboarana seranan-tsambo manakaiky ny renivohitra mba hanamorana ny fivezivezen’ny entana. Eo koa ny fanarenana ny seranan-tsambo ao Mahajanga sy Toliara. Ao anatin’ny […]




