Tafiditra ao anatin’ireo 25 « leaders africains » eto amin’ ny kaontinanta afrikanina Rabarinirinarison Hasimbelo, minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, taorian’ilay “spring meetings”, natao tany Washington, ny 13 avrily lasa teo. Nandritra izay, voatendry ho « meilleurs leaders africains de la finance » ny tenany. Nandritra ireo fivoriam-be natao, mbola Ramatoa minisitry ny Toekarena […]
Toe-karena
Banky SG Madagasikara sy Bôndy : Karatra iray misanda hazo iray
Tandindonin-doza ny zava-mananaina eto Madagasikara satria ringana ny 44%-n’ny ala nanomboka ny taona 1950. Izay no mahatonga ny banky Société générale, SG Madagasikara, tsy mitsahatra mandray anjara amin’ny fambolen-kazo, hanamaitsoana ny Nosy, efa tato anatin’ny 37 taona. Nahatratra 140.200 ny zanakazo voavoly tamina velaran-tany 66 ha, hatramin’ny taona 2022. Hanohizana […]
Rano madio fisotro: 43%-n’ny mponina eto Madagasikara no misitraka izany
Zon’olombelona fototra ny fisitrahana rano madio fisotro. 43%-n’ny mponina eto Madagasikara no misitraka rano madio fisotro, raha ny tatitra navoakan’ny minisiteran’ny Rano, fidiovana sy fanadiovana, tamin’ny 2015. “Anisan’ny antony mahatonga izany ny tsy fahampian’ny mpikirakira ny asa fikojakojana ny fotodrafitrasa”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Rano, fidiovana sy fanadiovana, Razaivao […]
Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza roa nisesy: tokantrano maherin’ny 21.000 isa nahazo 120.000Ar
Nanome fanampiana an’ireo tokantrano lasibatry ny rivodoza indroa nisesy teto Madagasikara ny FID mba hanarenany indray ny lafiny sosialy sy toekarena. Natao izany mba hahafahany manohy ny asa fivelomany andavanandro. Nitondra fiantraikany betsaka teto amin’ny firenena ireo rivodoza, Cheneso sy Freddy, nandalo teto Madagasikara tamin’ny voalohan’ny taona. Betsaka ny fotodrafitrasa […]
Sendikan’ny indostria : manodidina ny 15% ny PIB antsika
Nandray ny fitantanana vaovao ny sendikan’ny indostria malagasy nanomboka ny zoma teo, Rasamimanana Tiana. Azo vokarina eto an-toerana ireny vokatra avy any ivelany ireny. “Ananantsika avokoa ny akora rehetra na amin’ny fambolena sy fiompiana na amin’ny harena an-kibon’ny tany na an-dranomasina”, hoy ny fanazavany. Mampalahelo, hoy izy, ny PIB izay […]




